Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana.
Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Zanak'Isiraely, moa nisy nitenenako akory va ny firenen'Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny Isiraely oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy manao trano sedera ho Ahy ianareo?
Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
Ary nomba anao tamin'izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao.
sy tahaka ny hatramin'ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain'i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka ho anao Izy.
Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an'ny taninao teo anatrehan'ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin'ny firenen'i Egypta sy ny andriamaniny?
Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
Ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon'ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao.
dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.