Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan'ny Zanak'Isiraely, fa sisa tamin'ny Amorita, ary ny Zanak'Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin'ny firehetan'ny fitiavany ny Zanak'Isiraely sy ny Joda),
no avelao hisy fito lahy amin'ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an'i Jehovah ao Gibean'i Saoly, ilay voafidin'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy.
Ary Rizpa, zanakavavin'i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin'ny vatolampy iny hitoerany hatramin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin'ny faty, ka tsy navelany hipetrahan'ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina.
Dia lasa Davida naka ny taolan'i Saoly sy ny taolan'i Jonatana zanany tany amin'ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan'ny Filistina azy tamin'ny andro namonoan'ny Filistina an'i Saoly tao Gilboa.
Ary ny taolan'i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin'ny olona tao amin'ny tanin'ny Benjamina tao Zela, tao amin'ny fasan'i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian'ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken'Andriamanitra ny fifonana natao ho an'ny tany.
Fa Abisay, zanak'i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin'izay ny olon'i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin'ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan'ny Isiraely.
Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refaita.