Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanàna ianao.
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan'ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan'arivo.
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin'i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian'ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin'i Absaloma.
Ary Absaloma nifanehatra tamin'ny mpanompon'i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin'ny rantsan-kazo mikirindro tamin'ny hazo terebinta, ka voahazon'ny hazo terebinta ny lohan'i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany.
Fa hoy ralehilahy tamin'i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian'ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an'i Absaloma zatovo.
Dia nalain'ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin'ny lainy avy.
Dia hoy Ahimaza, zanak'i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin'ny mpanjaka ny amin'ny nanomezan'i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin'ny fahavalony.
Fa hoy Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny zanakalahin'ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao.
Fa Ahimaza, zanak'i Zadoka, dia mbola niteny tamin'i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona?
Ary ny mpitily niantso ka nilaza tamin'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia ho teny mahafaly no entiny. Ary mbola nanatona anatona ihany ralehilahy.
Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak'i Ahimaza, zanak'i Zadoka, no fihazakazak'iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany.
Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin'ny nanirahan'i Joaba ny mpanompon'ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony.