Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an'ny vadiko etỳ ambonin'ny tany.
Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin'ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin'ny ankohonan'ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon'Andriamanitra? Fa amin'ny, itenenan'ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsi-fampodian'ny mpanjaka ilay noroahiny.
Fa izaho no tonga hilaza izany zavatra izany amin'ny mpanjaka tompoko, ny olona no nampitahotra ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin'ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin'ny mpanompovaviny.
Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin'ny mpanjaka tompoko; fa ta-haka Ilay Anjelin'Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao.
Ary hoy ny mpanjaka: Moa saina nomen'i Joaba va izany rehetra lazainao izany? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain'ny mpanjaka tompoko na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.
Ny hampiova tarehy ny raharaha no nanaovan'i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka Ilay Anjelin'Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin'ny tany.
Dia niankohoka tamin'ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran'ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin'ny nanaovan'ny mpanjaka araka ny nangatahin'ny mpanompony.
Ary hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.
Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan'ny taona no nanaratany azy; fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan'ny mpanjaka.
Koa dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin'i Joaba mifanolotra amin'ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin'ny afo izany. Ary ny mpanompon'i Absaloma dia nandoro ny tanimbary.
Fa hoy Absaloma tamin'i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin'ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan'ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny.