Ary ny mpanjakan'i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin'i So, mpanjakan'i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an'ny mpanjakan'i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan'i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina.
Ary tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Hosea no nahafahan'ny mpanjakan'i Asyria an'i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron'i Habora (dia ny onin'i Gozana izany) ary teny amin'ny tanànan'ny Mediana.
ka nandeha araka ny fanaon'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely sy araka ny didy izay nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely.
Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao teny tsy marina ho enti-manakona an'i Jehovah Andriamaniny ka nanao fitoerana avo teny amin'ny tanànany rehetra, dia hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanàna mimànda.
Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain'i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin'ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
Ary nampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka nampahatezitra Azy.
Fa nendahany niala tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely; ary ny olona nampanjaka an'i Jeroboama, zanak'i Nebata; ary Jeroboama dia nampiala ny Isiraely tsy hanaraka an'i Jehovah ka nampanota azy indrindra.
Mandra-panaisotr'i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala tamin'ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any mandraka androany.
Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin'ny tanànan'i Samaria nisolo ny Zanak'Isiraely; dia nahazo an'i Samaria ireny ka nitoetra teny amin'ny tanànany.
Dia hoy ny olona tamin'ny mpanjakan'i Asyria: Ny firenena izay nafindranao sy namponeninao eny amin'ny tanànan'i Samaria tsy mahalala izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any, ka dia nampandeha ny liona hamely azy Izy; ary, indro, nahafatesan'ireny izy noho ny tsi-fahalalany ny fanaon'ny Andriamanitry ny tany.
Ary ny mpanjakan'i Asyria nandidy hoe: Iraho ho any ny anankiray amin'ny mpisorona izay nentinareo ho babo avy tany, ary aoka handeha izy ka hitoetra any, dia aoka hampianatra azy izay tokony hatao amin'ny Andriamanitry ny tany any izy.
Dia tonga ny mpisorona anankiray avy tamin'izay efa nentiny ho babo avy tany Samaria ka nonina tao Betela, dia nampianatra azy izay fahatahorana an'i Jehovah.
Kanefa ny isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy ka nametraka azy tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo, izay nataon'ny mponina tao Samaria, eny, ny isam-pirenena dia samy nanao tao amin'ny tanàna nitoerany avy.
Koa ny olona avy any Babylona dia nanao an'i Sokota-benota; ary ny olona avy any Kota nanao an'i Nergala; ary ny olona avy any Hamata nanao an'i Asima;
Dia natahotra an'i Jehovah ny olona, ary izay avy tamin'ny ankabiazam-bahoaka no notendreny ho mpisorona amin'ny fitoerana avo, ary ireny no nanatitra fanatitra tao amin'ny trano eny amin'ny fitoerana avo nisolo ny vahoaka.
Mandraka androany dia mbola manao araka ny fanaony teo ihany izy: tsy dia matahotra an'i Jehovah, ary tsy dia manao araka ny fomban-drazany, na araka ny lalàna sy ny didy izay nandidian'i Jehovah ny taranak'i Jakoba, izay nataony hoe Isiraely
Sady nanaovany fanekena sy nodidiany hoe: Aza matahotra izay andriamani-kafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy, na namono zavatra hatao fanaritra ho azy;
Fa Jehovah, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny sandry nahinjitra, dia aoka Izy ihany no hatahoranareo, ary ho eo anatrehany no hiankohofanareo, ary ho Azy no hamonoanareo zavatra hatao fanatitra;
Ary ny didy sy ny fitsipika sy ny lalàna ary ny teny izay nosoratany ho anareo no aoka hotandremanareo hatao mandrakariva; ary aza matahotra izay andriamani-kafa;
Ka dia natahotra an'i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy hatramin'ny zanany sy ny zafiny koa aza; tahaka ny fanaon'ny razany ihany no nataon'ireny mandraka androany.