Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan'ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan'i Asyria, raha avy?
Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan'i Asyria sy ny hamaroan'ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.
Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin'ny tenin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ny olona.
Rehefa afaka izany, dia nirahin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an'i Lakisy tamin'izay) ho any amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ho any amin'ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe:
Tsy Hezekia ihany va no manambosy anareo hanole-tena ho faty mosary sy hetaheta ka .anao hoe: Jehovah Andriamanitsika hamonjy antsika amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria?
Tsy io Hezekia io ihany koa va no nandrava ny fitoerana avony sy ny alitarany ary nandidy ny Joda sy Jerosalema ka nanao hoe: Eo anoloan'ny alitara iray no iankohofanareo sy handoroanareo ditin-kazo manitra ?
Tsy fantatrareo va izay nataoko, dia izaho sy ny razako, tamin'ny firenena rehetra tany amin'ny tany hafa ? Moa ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny va nisy nahavonjy ny taniny akory tamin'iny tanako?
Iza amin'ny andriamanitr'ireo firenena efa naringan'ny razako ireo no nahavonjy ny olony tamin'ny tanako, ka dia hahavonjy anareo amin'ny tanako va ny Andriamanitrareo?
sady nanoratra taratasy hihaika an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien'ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ny olony tamin'ny tanako no tsy hahavonjen'ny Andriamanitr'i Hezekia ny olony koa amin'ny tanako.
Ary Andriamanitr'i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ireny, izay asan'tànan'olona ihany.
Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin'ny sabatra ny zanany naterany.
Ary ny maro nitondra fanatitra ho an'i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; dia nalaza teo imason'ny firenena rehetra izy hatramin'izany.
Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan'ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan'ny fahatezeran'i Jehovah ireo fahavelon'i Hezekia.
Ary Hezekia nanana harena sy voninahitra be indrindra; dia nanao trano firaketana izy hitehirizany ny volafotsy sy ny volamena sy ny vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga mbamin'izay fanaka tsara rehetra,
ary tanàna fitehirizana ny vokatra koa, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo, sy trano miefitrefitra hitoeran'ny biby fiompy samy hafa karazana ary vala hitoeran'ny ondry aman'osy.
Ary ny tantaran'i Hezekia sisa mbamin'ny soa nataony, indro, efa voasoratra ao amin'ny fahitan'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, sy ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely izany.
Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny fiakarana ho any amin'ny fasan'ny zanak'i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin'ny nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy.