Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
Ary ny amin'ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan'ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.
Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina.
Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;