Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin'ny fitoerana masina ny loto.
Ary narindriny ny varavarana amin'ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro. sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin'ny fitoerana masina ho an'Andriamanitry ny Isiraely.
Ka dia nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran'i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan'ny masonareo izao.
Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin'i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.
Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak'i Amasay, sy Joela, zanak'i Azaria, tamin'ny taranaky ny Kehatita; ary tamin'ny taranak'i Merary dia Kisy, zanak'i Abdia, sy Azaria, zanak'i Jehalalila; ary tamin'ny Gersonita dia Joa, zanak'i Zima, sy Edena, zanak'i Joa;
Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny didin'ny mpanjaka noho ny tenin'i Jehovah mba hanadio ny tranon'i Jehovah.
Ary ny mpisorona niditra tao amin'ny efitra anatiny amin'ny tranon'i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin'i Jehovah ho eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
Dia niditra tao amin'i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon'i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin'ny fanaka rehetra momba azy koa.
Ary nitondra vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak'ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an'ny fanjakana sy ho an'ny fitoerana masina ary ho an'ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak'i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah.
Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy, ary noraisin'ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin'ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak'ondry, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny.
dia novonoin'ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin'ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely; fa ho an'ny Isiraely rehetra no nasain'ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.
Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon'i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin'i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan'ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin'i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.
Ary nasain'i Hezekia naterina teo ambonin'ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an'i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin'ny zava-manenon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely.
Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an'i Jehovah tamin'ny teny namboarin'i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin'ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.
Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an'i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon'i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana.
Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan'ny raharaha sy ny nanamasinan'ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona.
Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah.