Koa dia nampitoerin'i Jehovah teo an-tànany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an'i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy.
Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin'ny tanànan'ny Joda,
Ary nisy Levita koa niaraka tamin'ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin'i Elisama sy Jorama, mpisorona.
Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, dia nitety ny tanànan'ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin'ny olona.