Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin'ny Isiraely, dia lohan'ny fianakaviana,
ka dia niara-niakatra ho any amin'ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an'Andriamanitra, ilay nataon'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, tany an-efitra.
Fa fiaran'Andriamanitra efa nampakarin'i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin'izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.
Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô. aoka ho tanteraka teninao tamin'i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin'ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.
Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,
dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.
Ary nataon'ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.
Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.
Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany.