Dia nilahatra ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin'ny Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.
Ary rehefa tonga tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon'ny Isiraely: Nahoana no, namely antsika teo anoloan'ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, ka raha tonga eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika.
Ary rehefa ren'ny Filistina ny hoby, dia hoy izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin'ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny fiaran'i Jehovah.
Mahereza, ary aoka hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo ianareo tahaka ny nanompoany anareo; misehoa ho lehilahy ianareo, ka miadia.
Ary niady ny Filistina, dia resy ny Isiraely, ka samy nandositra ho any an-dainy avy izy rehetra, ary be dia be no maty, dia lehilahy telo alina mandeha an-tongotra tamin'ny Isiraely no niampatrampatra.
Ary raha tonga izy, indro, Ely nipetraka teo amin'ny sezany ka nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny fiaran'Andriamanitra. Ary nony tonga tao an-tanàna ralehilahy ka nilaza, dia nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra.
Dia namaly ilay nitondra teny ka nanao hoe: Nandositra teo anoloan'ny Filistina ny Isiraely, ka be dia be no maty, ary izy mirahalahy zanakao, Hofinia sy Finehasa, mba maty koa, sady lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.
Ary ny vinantoni-vavy, vadin'i Finehasa, nanan'anaka ka efa ho teraka; koa nony reny fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny, dia nitanondrika izy ka narary nihetsi-jaza, fa efa ho teraka.
Ary rehefa nadiva hiala aina izy, dia niteny ireo vehivavy nitsangana teo anilany ka nanao taminy hoe: Aza matahotra, fa velon-dahy ianao. Fa tsy namaly na nihaino izany izy.
Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran'ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely, satria efa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.