Ary hoy Davida tamin'i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin'i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao.
Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin'ny ady izy, ka any no hahafaty azy.
Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan'ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha.
Dia nalain'i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan'ny lohan'i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon'i Jehovah renoky ny torimaso izy.
ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak'i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan'ny mpanjaka?
Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotr'i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon'ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan'ny lohany?
Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin'ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak'olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin'ny lova nomen'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa.
Ny lehilahy izay nanoloran'i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho.
Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan'i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin'ny fahoriana rehetra.
Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.