Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan'i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?
Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.
Koa raha hitan'ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin'izy mianakavy rehetra isan-taona any.
Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an'ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy.
Koa mamindrà fo amin'ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken'i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin'ny rainao aho?
Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an'i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao,
dia hataon'i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain'ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin'ny raiko anie Jehovah.
Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin'ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento etỳ, dia avia ianao, fa hipetraka amin'ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah.
Ary nony tamin'ny andro faharoa dia ny ampitson'ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan'i Davida, dia hoy Saoly tamin'i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan'ny zanak'i Jese hihinana omaly sy androany?
nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain'ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin'ny latabatry ny mpanjaka.
Dia nirehitra tamin'i Jonatana ny fahatezeran'i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak'i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon'ny reninao.
Fa raha mbola velona etỳ ambonin'ny tany koa iny zanak'i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty izy.
Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin'i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin'ny tompony.