Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin'ny tobin'ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany
Ary ny haben'ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.
ary ny zokiny telo lahy tamin'ny zanak'i Jese lasa nanaraka an'i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran'ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony;
Ary hoy Jese tamin'i Davida zanany: Ento ity lango eran'ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an'ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin'ny rahalahinao.
Ary ento ho an'ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho.
Ary Davida namela ny entany teo anilan'ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin'ny laharan'ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin'izay toetry ny rahalahiny.
Ary hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon'ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin'ny Isiraely ny tarana-drainy.
Ary hoy Davida tamin'ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin'izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona?
Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin'ny olona dia nirehitra tamin'i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midina etỳ? Ary amin'iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian'ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy.
Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.
Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.
Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina.
Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy.
Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin'i Gay sy ny vavahadin'i Ekrona; ary izay voa tamin'ny Filistina dia niampatrampatra teny amin'ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.