Ary ilay lehilahin'Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an'ny taranak'i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin'ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan'olona no hodorana eo amboninao.
Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain'i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny.
Ary nony ren'i Jeroboama mpanjaka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin'ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony.
Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon'ilay lehilahin'Andriamanitra noho ny tenin'i Jehovah.
Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin'Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin'i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia nifona tamin'i Jehovah, ka dia azon'ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
Fa hoy ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ aho;
fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin'ny tany izay nandraran'i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao.
Ary nony nandeha izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan'ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky.
Ary nobetain'ilay mpaminany ny fatin'ilay lehilahin'Andriamanitra ka nasampiny tamin'ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tanàna ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy.
Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin'ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin'ny fasana izay ilevenan'ilay lehilahin'Andriamanitra, ka ataovy eo anilan'ny taolany ny taolako;
fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin'i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin'ny alitara ao Betela sy amin'ny trano rehetra eny amin'ny fitoerana avo izay any an-tanànan'i Samaria.
Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin'ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin'ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin'ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin'ny fitoerana avo.