I Chronicles 25

Ary ny taranak'i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan'i Davida sy ireo komandin'ny miaramila ho amin'ny fanompoana mba haminany amin'ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan'ny mpanao araka ny fanompoany avy:
Tamin'ny zanakalahin'i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak'i Asafa, nofehezin'i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan'ny mpanjaka azy.
Tamin'i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin'i Jedotona rainy, izay naminany tamin'ny lokanga hidera sy hisaotra an'i Jehovah.
Tamin'i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota.
Ireo rehetra ireo no zanak'i Hemana, mpahitan'ny mpanjaka ny amin'ny tenin'Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen'Andriamanitra zazalahy efatra ambin'ny folo sy zazavavy telo.
Ireo rehetra ireo no fehin'ny rainy tamin'ny hira natao tao an-tranon'i Jehovah tamin'ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin'ny mpanjaka.
Ary ny isany mbamin'ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an'i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato.
Ary nanao filokana ny amin'ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.
Ary ny loka voalohany dia azon'i Josefa avy amin'ny taranak'i Asafa; ny faharoa an'i Gedalia, izy mbamin'ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin'ny folo;
ny fahatelo an'i Zakora, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahefatra an'i Jizry, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahadimy an'i Netania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahenina an'i Bokia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahafito an'i Jesarela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahavalo an'i Jesaia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahasivy an'i Matania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahafolo an'i Simey, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahiraika ambin'ny folo an'i Azarela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny faharoa ambin'ny folo an'i Hasabia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahatelo ambin'ny folo an'i Sobaela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahefatra ambin'ny folo an'i Matitia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny folo;
ny fahadimy ambin'ny folo an'i Jeremota, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny folo;
ny fahenina ambin'ny folo an'i Hanania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahafito ambin'ny folo an'i Josbekasa, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hanany, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahasivy ambin'ny folo an'i Maloty, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny faharoa-polo an'i Eliata, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahiraika amby roa-polo an'i Hotira, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny faharoa amby roa-polo an'i Gidalty, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahatelo amby roa-polo an'i Mahaziota, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo;
ny fahefatra amby roa-polo an'i Romamti-ezera, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo.