I Chronicles 16

Ary nampiditra ny Fiaran'Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan'ny lay izay naorin'i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'Andriamanitra izy.
Ary nony voatitr'i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin'ny anaran'i Jehovah izy.
Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an'ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.
Ary ny Levita sasany notendren'i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'ny fiaran'i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;
Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra.
Tamin'izay andro izay no voalohan'ny nanendren'i Davida an'i Asafa sy ny rahalahiny hidera an'i Jehovah.
Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.
Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,
Hianareo taranak'Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
Eny, dia ilay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'Isaka,
Izay naoriny ho lalàna ho an'i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin'ny famolaina;
Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.
Mihira ho an'i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly.
Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin'ny andriamanitra rehetra.
Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin'ny fitoerany.
Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina
Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.
Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin'ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.
Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.
Dia hihoby eo anatrehan'i Jehovah amin'izay ny hazo an'ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an'i Jehovah.
Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan'i Davida teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan'andro,
ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak'i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.
Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah teo amin'ny fitoerana avo any Gibeona,
hanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah marain-tsy hariva eo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
ary naman'ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin'ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Ary tao amin'i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an'izay mampaneno ary ny fomban'ny zava-manenon'Andriamanitra. Ary ny zanak'i Jedotona no mpiandry varavarana.
Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.