Zechariah 3

et ostendit mihi Iesum sacerdotem magnum stantem coram angelo Domini et Satan stabat a dextris eius ut adversaretur ei
Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan'Ilay Anjelin'i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.
et dixit Dominus ad Satan increpet Dominus in te Satan et increpet Dominus in te qui elegit Hierusalem numquid non iste torris est erutus de igne
Ary hoy Jehovah tamin'i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin'ny afo va ity?
et Iesus erat indutus vestibus sordidis et stabat ante faciem angeli
Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan'Ilay Anjely.
qui respondit et ait ad eos qui stabant coram se dicens auferte vestimenta sordida ab eo et dixit ad eum ecce abstuli a te iniquitatem tuam et indui te mutatoriis
Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin'izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
et dixit ponite cidarim mundam super caput eius et posuerunt cidarim mundam super caput eius et induerunt eum vestibus et angelus Domini stabat
Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia nitsangana teo.
et contestabatur angelus Domini Iesum dicens
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nilaza marimarina tamin'i Josoa hoe:
haec dicit Dominus exercituum si in viis meis ambulaveris et custodiam meam custodieris tu quoque iudicabis domum meam et custodies atria mea et dabo tibi ambulantes de his qui nunc hic adsistunt
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mizotra amin'ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin'ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin'ireo mitsangana ireo ianao.
audi Iesu sacerdos magne tu et amici tui qui habitant coram te quia viri portendentes sunt ecce enim ego adducam servum meum orientem
Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana Mpanompoko.
quia ecce lapis quem dedi coram Iesu super lapidem unum septem oculi sunt ecce ego celabo sculpturam eius ait Dominus exercituum et auferam iniquitatem terrae illius in die una
Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity.
in die illa dicit Dominus exercituum vocabit vir amicum suum subter vineam et subter ficum
Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin'ny voaloboka sy ho eo ambanin'ny aviavy ianareo.