Daniel 1

anno tertio regni Ioachim regis Iuda venit Nabuchodonosor rex Babylonis Hierusalem et obsedit eam
Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, no nankanesan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
et tradidit Dominus in manu eius Ioachim regem Iudae et partem vasorum domus Dei et asportavit ea in terram Sennaar in domum dei sui et vasa intulit in domum thesauri dei sui
Ary ny Tompo nanolotra an'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny fanaka sasany tao an-tranon'Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin'ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon'andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin'ny trano firaketan'andriamaniny.
et ait rex Asfanaz praeposito eunuchorum suorum ut introduceret de filiis Israhel et de semine regio et tyrannorum
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Aspenaza, lehiben'ny tandapany, hitondra ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely, dia amin'ny zanak'andriana na amin'ny ambony firazanana,
pueros in quibus nulla esset macula decoros forma et eruditos omni sapientia cautos scientia et doctos disciplina et qui possent stare in palatio regis ut doceret eos litteras et linguam Chaldeorum
dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana.
et constituit eis rex annonam per singulos dies de cibis suis et de vino unde bibebat ipse ut enutriti tribus annis postea starent in conspectu regis
Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an'ireo isan'andro avy tamin'ny haniny sy avy tamin'ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka izy.
fuerunt ergo inter eos de filiis Iuda Danihel Ananias Misahel et Azarias
Ary tamin'ireo dia nisy avy amin'ny taranak'i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
et inposuit eis praepositus eunuchorum nomina Daniheli Balthasar et Ananiae Sedrac Misaheli Misac et Azariae Abdenago
Ary izy ireo nomen'ny lehiben'ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
proposuit autem Danihel in corde suo ne pollueretur de mensa regis neque de vino potus eius et rogavit eunuchorum praepositum ne contaminaretur
Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara-hanina avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka, na tamin'ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin'ny lehiben'ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
dedit autem Deus Daniheli gratiam et misericordiam in conspectu principis eunuchorum
Dia nataon'Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin'ilay lehiben'ny tandapa Daniela.
et ait princeps eunuchorum ad Danihel timeo ego dominum meum regem qui constituit vobis cibum et potum qui si viderit vultus vestros macilentiores prae ceteris adulescentibus coaevis vestris condemnabitis caput meum regi
Ary hoy ilay lehiben'ny tandapa tamin'i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an'ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin'ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?
et dixit Danihel ad Malassar quem constituerat princeps eunuchorum super Danihel Ananiam Misahel et Azariam
Dia hoy Daniela tamin'ny mpiadidy, izay notendren'ny lehiben'ny tandapa ho mpiadidy an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
tempta nos obsecro servos tuos diebus decem et dentur nobis legumina ad vescendum et aqua ad bibendum
Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.
et contemplare vultus nostros et vultus puerorum qui vescuntur cibo regio et sicut videris facies cum servis tuis
Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin'ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin'ny hanin'ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin'ny mpanomponao.
qui audito sermone huiuscemodi temptavit eos diebus decem
Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.
post dies autem decem apparuerunt vultus eorum meliores et corpulentiores prae omnibus pueris qui vescebantur cibo regio
Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an'ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka.
porro Malassar tollebat cibaria et vinum potus eorum dabatque eis legumina
Dia najanon'ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy.
pueris autem his dedit Deus scientiam et disciplinam in omni libro et sapientia Daniheli autem intellegentiam omnium visionum et somniorum
Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen'Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin'ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin'ny fahitana sy ny nofy rehetra.
conpletis itaque diebus post quos dixerat rex ut introducerentur introduxit eos praepositus eunuchorum in conspectu Nabuchodonosor
Ary nony tonga ny andro nasain'ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin'ilay lehiben'ny tandapa niditra teo anatrehan'i Nebokadnezara izy.
cumque locutus eis fuisset rex non sunt inventi de universis tales ut Danihel Ananias Misahel et Azarias et steterunt in conspectu regis
Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin'izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo.
et omne verbum sapientiae et intellectus quod sciscitatus est ab eis rex invenit in eis decuplum super cunctos ariolos et magos qui erant in universo regno eius
Ary ny amin'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian'ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin'ny fanjakany rehetra aza izy.
fuit autem Danihel usque ad annum primum Cyri regis
Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy mpanjaka.