II Thessalonians 3

de cetero fratres orate pro nobis ut sermo Domini currat et clarificetur sicut et apud vos
Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan'ny tenin'ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo,
et ut liberemur ab inportunis et malis hominibus non enim omnium est fides
ary mba hovonjena ho afaka amin'ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
fidelis autem Dominus est qui confirmabit vos et custodiet a malo
Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny ratsy.
confidimus autem de vobis in Domino quoniam quae praecipimus et facitis et facietis
Fa izahay matoky anareo ao amin'ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.
Dominus autem dirigat corda vestra in caritate Dei et patientia Christi
Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.
denuntiamus autem vobis fratres in nomine Domini nostri Iesu Christi ut subtrahatis vos ab omni fratre ambulante inordinate et non secundum traditionem quam acceperunt a nobis
Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin'ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
ipsi enim scitis quemadmodum oporteat imitari nos quoniam non inquieti fuimus inter vos
Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay,
neque gratis panem manducavimus ab aliquo sed in labore et fatigatione nocte et die operantes ne quem vestrum gravaremus
ary tsy nihinana foana izay hanin'olona, fa niasa andro aman'alina tamin'ny fikelezan'aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza;
non quasi non habuerimus potestatem sed ut nosmet ipsos formam daremus vobis ad imitandum nos
tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay.
nam et cum essemus apud vos hoc denuntiabamus vobis quoniam si quis non vult operari nec manducet
Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.
audimus enim inter vos quosdam ambulare inquiete nihil operantes sed curiose agentes
Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an'olona.
his autem qui eiusmodi sunt denuntiamus et obsecramus in Domino Iesu Christo ut cum silentio operantes suum panem manducent
Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin'i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin'ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany.
vos autem fratres nolite deficere benefacientes
Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa.
quod si quis non oboedit verbo nostro per epistulam hunc notate et non commisceamini cum illo ut confundatur
Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin'ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy.
et nolite quasi inimicum existimare sed corripite ut fratrem
Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.
ipse autem Dominus pacis det vobis pacem sempiternam in omni loco Dominus cum omnibus vobis
Ary ny Tompon'ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.
salutatio mea manu Pauli quod est signum in omni epistula ita scribo
Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly; izao no famantarana eo amin'ny epistily rehetra; izao no soratro.
gratia Domini nostri Iesu Christi cum omnibus vobis amen
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.