Como é impelida a fumaça, assim tu os impeles; como a cera se derrete diante do fogo, assim pereçam os ímpios diante de Deus.
Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon'ny savoka eo anoloan'ny afo no aoka hahalevonan'ny ratsy fanahy eo anatrehan'Andriamanitra.
Cantai a Deus, cantai louvores ao seu nome; louvai aquele que cavalga sobre as nuvens, pois o seu nome é Já; exultai diante dele.
Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
a terra se abalava e os céus gotejavam perante a face de Deus; o próprio Sinai tremeu na presença de Deus, do Deus de Israel.
Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
Por que estás, ó monte de cimos numerosos, olhando com inveja o monte que Deus desejou para sua habitação? Na verdade o Senhor habitará nele eternamente.
Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian'Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.
Ali está Benjamim, o menor deles, na frente; os chefes de Judá com o seu ajuntamento; os chefes de Judá com o seu ajuntamento; os chefes de Zebulom e os chefes de Naftali.
Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon'ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.
Repreende as feras dos caniçais, a multidão dos touros, com os bezerros dos povos. Calca aos pés as suas peças de prata; dissípa os povos que se deleitam na guerra.
Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian'ny ombilahy mbamin'ireo vahoaka zanak'omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady
Ó Deus, tu és tremendo desde o teu santuário; o Deus de Israel, ele dá força e poder ao seu povo. Bendito seja Deus!
Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.