Zechariah 6

A ka maranga ake ano oku kanohi, ka kite, na e wha nga hariata e puta mai ana i waenganui o nga maunga e rua; na, ko nga maunga, he maunga parahi.
Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan'ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.
I te hariata tuatahi he whero nga hoiho; i te hariata tuarua he mangu nga hoiho;
Tamin'ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena; tamin'ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;
I te toru o nga hariata he ma nga hoiho, i te wha o nga hariata he kopurepure, he pakaka nga hoiho.
tamin'ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin'ny kalesy fahefatra dia soavaly sadamena.
Katahi ahau ka oho atu, ka mea ki te anahera i korero ra ki ahau, He aha enei, e toku ariki?
Dia nanontany tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho ka nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
Na ka whakahoki mai te anahera, ka mea ki ahau, Ko nga hau e wha enei o te rangi, e haere mai ana i te tu i te aroaro o te Ariki o te whenua katoa.
Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan'ny Tompon'ny tany. rehetra.
Ko te hariata i nga hoiho mangu, e haere ana ratou ki te whenua i te raki; a i haere nga mea ma i muri i a ratou; na ko nga mea kopurepure i ahu pera ki te whenua ki te tonga.
Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin'ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin'ny tany atsimo.
I haere atu ano nga mea pakaka, i whai kia haereere, kia kopikopiko ratou i te whenua: na ka mea ia, Haere atu koe, kopikopiko i te whenua. Na kei te kopikopiko ratou i te whenua.
Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin'ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin'ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin'ny tany izy.
Katahi tera ka karanga ki ahau, ka korero mai hoki ki ahau, ka mea, Nana, ko enei i ahu atu nei ki te whenua ki te raki, kua marie i a ratou toku wairua i te whenua ki te raki.
Dia nitaraina mafy tamiko izy ka niteny tamiko hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankamin'ny tany avaratra dia nampionona ny fanahiko tany amin'ny tany avaratra.
I puta mai ano te kupu a Ihowa ki ahau, i mea,
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
Tangohia ta nga whakarau, ara ta Hererai, ta Topia, ta Ieraia; haere mai ano koe i taua ra, ka tomo ki te whare o Hohia tama a Tepania, ki te whare i tae mai ai ratou i Papurona;
Mandraisa avy amin'ny babo, dia amin'i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin'izany andro izany ihany ianao, ka midìra ao an-tranon'i Josia, zanak'i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy,
Ae ra, ka tango i ta ratou hiriwa, koura hoki, ka hanga ai i etahi karauna, a ka potae atu ki te mahunga o te tino tohunga, o Hohua tama a Iohereke;
eny, mandraisa volafotsy sy volamena, ka ataovy satro-boninahitra, dia apetraho eo an-dohan'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe;
Korero atu hoki ki a ia, mea atu, Ko te kupu tenei a Ihowa o nga mano, e ki ana, Nana, te tangata ko tona ingoa nei ko te Manga; a ka tupu ake ano ia i tona wahi, a mana e hanga te temepara o Ihowa:
dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin'i Jehovah.
Mana rawa e hanga te temepara o Ihowa; a mana e waha te kororia, ka noho hoki ia ka whakahaere tikanga i runga i tona torona; a hei tohunga ia i runga i tona torona: a ka whakaaro ngatahi raua mo te rongo mau.
Eny, Izy no hanao ny tempolin'i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainam-pihavanana amin'izy roroa.
Ka ai hoki nga karauna hei whakamahara ki a Hereme ratou ko Topia, ko Ieraia, ko Hene tama a Tepania, i roto i te temepara o Ihowa.
Ary ny satro-boninahitra dia ho an'i Helema sy Tobia sy Jedaia ary Hena, zanak'i Zefania, ho fampahatsiarovana ao amin'ny tempolin'i Jehovah.
Ka haere mai ano te hunga i tawhiti, ka hanga i roto i te temepara o Ihowa, a ka mohio koutou na Ihowa o nga mano ahau i unga mai ki a koutou. A e puta ano tenei, ki te ata whakarongo koutou ki te reo o Ihowa, o to koutou Atua.
Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin'ny tempolin'i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.