Ko te karaehe i kite ra koe, i mua ia, kahore hoki inaianei; ka puta ake ano hoki ia a mua i roto i te poka torere, a ka riro atu ki te whakangaromanga: na, ko te hunga e noho ana ki te whenua, kahore nei o ratou ingoa i tuhituhia ki te pukapuka o te ora o te orokohanganga ra ano o te ao, ka miharo ratou ina kite i te kararehe i ora i mua, a kahore nei inaianei, a tenei ake ka puta.
Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin'ny fandringanana; ary ny monina ambonin'ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainana hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibi-dia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray.