Revelation of John 12

Na ka kitea he tohu nui i te rangi; he wahine, ko te ra tona kakahu, ko te marama kei raro i ona waewae, i runga ano i tona matenga ko nga whetu kotahi tekau ma rua hei karaunga:
Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,
Kua hapu hoki ia, na karanga ana, oke ana, he mamae whanautanga.
sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.
A ka kitea tetahi atu tohu i te rangi, na, he tarakona nui, he mea whero, e whitu ona mahunga, tekau ona haona, e whitu ano nga karauna i runga i ona mahunga.
Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany.
A e kumea ana e tona hiku te wahi tuatoru o nga whetu o te rangi, maka ana e ia ki te whenua: a ka tu te tarakona i te aroaro o te wahine i mea nei ki te whanau, hei kai i tana tamaiti ina whanau.
Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;
Na ka whanau te tamaiti a te wahine ra, he tane, ko ia hei whakahaere tikanga mo nga iwi katoa ki te tokotoko rino: na kua kahakina atu tana tamaiti ki te Atua, ki tona torona hoki.
ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany.
A ka oma te wahine ra ki te koraha, kua rite noa ake hoki i te Atua he kainga mona ki reira, ki reira whangainga ai ia, kia taka ra ano nga ra kotahi mano e rua rau e ona tekau.
Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.
Na he whawhai tera kei te rangi: ko Mikaera ratou ko ana anahera e whawhai ana ki te tarakona; whawhai ana hoki te tarakona ratou ko ana anahera;
Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady,
A kihai ratou i toa; kihai ano hoki to ratou wahi i kitea i te rangi i muri iho.
nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.
Na ka maka te tarakona nui, te nakahi onamata, e huaina nei ko te Rewera, ko Hatana hoki, e whakapohehe nei i te ao katoa: ka maka ia ki te whenua, a i maka tahitia ana anahera me ia.
Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.
A ka rongo ahau i te reo nui i te rangi e ki ana, Tenei kua tae mai te whakaoranga, te kaha, me te rangatiratanga o to tatou Atua, me te mana hoki o tana Karaiti: no te mea kua whakataka te kaiwhakapae ki o tatou teina, e whakapae nei ki a ratou i te ao, i te po, i te aroaro o to tatou Atua.
Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina.
Hinga ana ia i a ratou, he meatanga na nga toto o te Reme, na te kupu hoki o ta ratou whakaatu: kihai ratou i aroha ki te ora mo ratou, a mate noa.
Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza.
Kia hari koutou ki tenei, e nga rangi, e te hunga hoki e noho ana i reira. Aue te mate mo te whenua, mo te moana hoki! Kua heke atu hoki ki a koutou te rewera, nui atu hoki tona riri, no te mea kua matau ia he poto tona taima.
Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.
A, no ka kite te tarakona kua maka ia ki te whenua, ka whakatoia e ia te wahine nana te tamaiti tane i whanau nei.
Ary rehefa hitan'ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.
Na e rua nga pakau o te ekara nui kua hoatu ki te wahine, kia rere ai ia ki te koraha, ki tona kainga, ki reira whangainga ai a taka noa he taima, etahi taima, me te hawhe taima, kei kitea mai e te nakahi.
Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho hitan'ilay menarana izy.
Na ka whakaruakina mai e te nakahi i tona mangai i muri i te wahine ra he wai, ano he awa, kia kahakina atu ai ia e te awa.
Ary ilay menarana namoaka rano tamin'ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin'ny riaka iry.
A ka awhinatia mai te wahine e te whenua, ka hamama te mangai o te whenua, inumia ake te awa i whakaruakina nei e te tarakona i roto i tona mangai.
Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin'ny vavany.
A riri ana te tarakona ki te wahine; haere ana ia ki te whawhai ki era atu o tana whanau, ki te hunga e pupuri ana i nga ture a te Atua, kei a ratou nei te whakaatu o Ihu Karaiti.
Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.