Psalms 89

He Makiri na Etana Eterahi. Ka waiatatia e ahau nga mahi tohu a Ihowa ake ake: ka whakapuakina e toku mangai tou pono ki nga whakatupuranga katoa.
Maskila nataon'i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon'i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran'ny vavako ny fahamarinanao.
I mea hoki ahau, Ka hanga ake te mahi tohu mo ake tonu atu: ka whakapumautia e koe tou pono ki nga tino rangi ra ano.
Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
Kua whakarite kawenata ahau ki taku i whiriwhiri ai: kua oati ki taku pononga ki a Rawiri;
Efa nanao fanekena tamin'ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin'i Davida mpanompoko Aho hoe:
Ka pumau i ahau ou uri ake ake: ka hanga tou torona ki nga whakatupuranga katoa. (Hera.
Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
Ka whakamoemiti ano nga rangi, e Ihowa, ki au mahi whakamiharo; ki tou pono hoki i roto i te whakaminenga o te hunga tapu.
Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina.
Ko wai oti i nga rangi hei rite mo Ihowa? Ko wai i roto i nga tama a te hunga nunui e rite ana ki a Ihowa?
Fa iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka an'i Jehovah,
He Atua whakamataku rawa i roto i te whakaminenga o te hunga tapu, e wehingia ana i runga ake i a ratou katoa i tetahi taha, i tetahi taha ona?
Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay rehetra manodidina Azy?
E Ihowa, e te Atua o nga mano, ko wai te mea kaha hei rite mou, e IHA? Hei rite ranei mo tou pono i tetahi taha ou, i tetahi taha?
Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
Ko koe te kingi o te huamo o te moana: ka oho ona ngaru, ko koe hei whakamarino.
Hianao manapaka ny fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
Mongamonga noa i a koe a Rahapa ano he tangata i patua: marara ana i a koe, i tou ringa kaha ou hoariri.
Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.
Nau nga rangi, nau te whenua: te ao me ona mea e hua ana i runga, nau ena i pumau ai.
Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
Ko te raki me te tonga nau ena i hanga: ka hari a Taporo raua ko Heremona ki tou ingoa.
Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona.
He takakau marohirohi tou: he pakari tou ringa, rewa tonu tou matau ki runga.
Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
Ko te tika me te whakawa te turanga o tou torona: e haere ana te mahi tohu me te pono i mua i tou aroaro.
Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
Ka hari te iwi e mohio ana ki te tangi whakahari: e haere ana ratou, e Ihowa, i te marama o tou mata.
Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany.
E hari ana ratou ki tou ingoa i te roa o te ra: a ma tou tika ka kake ai ratou.
Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
Ko koe hoki te kororia o to ratou kaha: ma tau manako ano ka ara ai to matou haona.
Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay.
Na Ihowa hoki to matou whakangungu rakau: a na te Mea Tapu o Iharaira to tatou kingi.
Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay.
I korero moemoea koe i reira ki tau Mea Tapu, i mea, Kua hoatu e ahau he kaha ki runga ki tetahi marohirohi; kua whakanuia e ahau tetahi i whiriwhiria i roto i te iwi.
Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin'ny olona.
Kua kitea e ahau taku pononga, a Rawiri: kua whakawahia ia e ahau ki taku hinu tapu:
Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy;
Ka u atu toku ringa hei awhina mona: ma toku takakau ano ia e whakakaha.
Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
E kore te hoariri e whai wahi ki a ia: e kore ano hoki te tama a te kino e tukino i a ia.
Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy.
Maku e tukituki ona hoariri ki tona aroaro: ka whiua e ahau te hunga e kino ana ki a ia.
Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
Otira ka mau ki a ia toku pono me taku mahi tohu: a ma toku ingoa ka ara ai tona haona.
Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony.
Maku ano tona ringa ka pa ai ki te moana: tona matau ki nga awa.
Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony.
Ka karanga ia ki ahau, Ko koe toku Papa, toku Atua, te kohatu o toku whakaoranga.
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy.
Ka waiho ano ia hei matamua maku ki runga ake i nga kingi o te whenua.
Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany.
Ka rongoatia e ahau taku mahi tohu mona ake tonu atu: ka mau tonu taku kawenata ki a ia.
Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
Ka meinga hoki e ahau ona uri kia mau tonu ake ake, tona torona ano ko nga ra o te rangi.
Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra.
Ki te whakarerea e ana tamariki taku ture, a kahore e haere i aku whakaritenga;
Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
Ki te takahi ratou i aku tikanga; a kahore e pupuri i aku whakahau;
Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,
Katahi ka whaia ta ratou mahi tutu e taku rakau, o ratou kino e te whiu.
Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
Otira e kore e tangohia rawatia e ahau taku mahi tohu i a ia, e tuku ranei i toku pono kia he.
Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
E kore taku kawenata e takahia e ahau, e kore ano e whakarereketia te mea i puta i oku ngutu.
Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako.
Kotahi aku oatitanga i toku tapu; e kore ahau e teka ki a Rawiri.
Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho:
Ka mau tonu tona uri ake ake; a ka rite tona torona ki te ra i toku aroaro.
Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;
Ka rite tona pumau ki to te marama ake ake: hei kaiwhakaatu pono ano i runga i te rangi. (Hera.
Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra.
Na kua panga nei koe, kua whakarihariha, kua riri ki tau i whakawahi ai.
Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin'ny voahosotrao Hianao.
Kua weriweri koe ki te kawenata ki tau pononga: kua whakanoaia e koe tona karauna, taka noa ki te whenua.
Efa nahafoana ny fanekena tamin'ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
Kua pakaruhia e koe ona taiepa katoa; whakamotitia iho e koe ona pa kaha.
Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
E pahua ana i a ia nga tangata katoa e tika ana i te ara: he tawainga ia na ona hoa tata.
Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan'ny mpiray monina aminy izy.
Kua whakarewaina e koe te ringa matau o ona hoa whawhai: kua meinga e koe kia hari ona hoa whawhai katoa.
Efa nampisandratra ny tanana ankavanan'ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
Ae, e ngore ana i a koe te mata o tana hoari: kihai ano koe i tautoko i a ia ki te tatauranga.
Efa nampihemotra ny lelan'ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin'ny ady.
Kua whakamutua e koe tona kororia, kua maka tona torona ki raro ki te whenua.
Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin'ny tany.
Kua poroa e koe nga ra o tona taitamarikitanga: kua hipokina ia e koe ki te whakama. (Hera.
Efa nahafohy ny andron'ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy.
Kia pehea te roa, e Ihowa, e whakangaro ai koe i a koe, ake tonu atu? Kia pehea te roa e toro ana tou riri ano he ahi?
Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
Kia mahara ki te poto rawa o toku taima: he aha i hanga ai e koe nga tangata katoa hei kore noa iho?
Tsarovy ny hafohin'ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra!
Ko wai tena tangata e ora nei, a e kore e kite i te mate? E mawhiti koia i a ia tona wairua i te kaha o te reinga? (Hera.
Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon'ny tanan'ny fiainan-tsi-hita?
E te Ariki, kei hea au arohatanga o mua i oatitia ai e koe ki a Rawiri i runga i tou pono?
Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin'i Davida tamin'ny fahamarinanao?
Maharatia, e te Ariki, te tawai ki au pononga; e mau nei ki toku uma te tawai a nga iwi nunui katoa:
Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran'ny firenena rehetra,
Te tawai a ou hoariri, e Ihowa, ta ratou tawai nei ki nga hikoinga o tau i whakawahi ai.
Dia ny nandatsan'ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian'ny voahosotrao.
Kia whakapaingia a Ihowa ake ake. Amine, ae Amine.
Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.