Psalms 65

Ki te tino kaiwhakatangi. He himene, he waiata na Rawiri. E taria ana koe, e te Atua, e te whakamoemiti i Hiona: a ka whakamana te kupu taurangi ki a koe.
Ho an'ny mpiventy hira.Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.
E te kaiwhakarongo inoi, e haere nga kikokiko katoa ki a koe.
Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin'ny nofo rehetra.
E kaha ake ana i ahau nga kino: a matou mahi tutu, mau ena e hipoki.
Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.
Ka hari te tangata e whiriwhiria e koe, e meatia e koe kia tata atu ki a koe, kia noho i roto i ou marae: ka makona matou i te pai o tou whare, o tou temepara tapu.
Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin'ny tempolinao.
He mea whakawehi, he tapu, tau utu kupu ki a matou, e te Atua o to matou whakaoranga, e te okiokinga o nga pito katoa o te whenua, o te hunga hoki i tawhiti i runga o te moana;
Zava-mahatahotra no ataonao amin'ny fahamarinana ho valin'ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin'ny faran'ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.
E whakau nei i nga maunga, he kaha hoki nona; tona whitiki nei he kaha.
Mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy.
E whakamarie nei i te haruru o nga moana, i te haruru o o ratou ngaru, i te ngangau hoki o nga iwi.
Mampitsahatra ny firohondrohon'ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban'ny firenena.
Ka wehi ano ki au tohu te hunga e noho ana i nga pito rawa: hari ana i a koe nga putake o te ata, o te ahiahi.
Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.
E tirotirohia ana e koe te whenua, e whakamakukuria ana, e whakamomonatia nuitia ana e koe; ki tonu te awa o te Atua i te wai: oti rawa ake te whakapai e koe, kua rite mai i a koe he witi mo aua wahi.
Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao - Ny onin'Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho an'ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.
Makuku rawa i a koe ona moa, pe ana i a koe ona tupuke: e whakangawaritia ana e koe ki nga ua: e manaakitia ana e koe tona pihinga ake.
Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.
E karaunatia ana e koe te tau ki tou pai; e maturuturu ana hoki te momonatanga o ou ara.
Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.
E maturuturu ana ki nga wahi kai o te koraha: a whitikiria ana nga pukepuke ki te koa.
Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikina fifaliana ny havoana.
He hipi te kakahu o nga wahi kai; ngaro ana nga raorao i te witi; hamama ana ratou i te hari, waiata ana.
Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.