Psalms 49

Ki te tino kaiwhakatangi. He himene ma nga tama a Koraha. Whakarongo ki tenei, e nga iwi katoa: tahuri mai o koutou taringa, e nga tangata katoa o te ao.
Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao:
E nga tangata iti, koutou ko nga tangata rahi, e te tangata taonga korua ko te rawakore.
Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
Ka whakapuakina he matauranga e toku mangai: a he ata ngarahu te whakaaro o toku ngakau.
Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana.
Ka titaha toku taringa ki te kupu whakarite; ka puaki taku pepeha i runga i te hapa.
Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
Kia wehi ahau ki te aha i nga ra o te kino, ina karapotia ahau e te kino kei oku rekereke?
Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy,
Ko te hunga e whakawhirinaki ana ki o ratou taonga, e whakamanamana ana ki te nui o o ratou rawa;
Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany?
E kore tetahi o ratou e ahei te hoko i tona teina, te hoatu ranei i tetahi utu mona ki te Atua;
Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony,
He nui hoki te utu mo to ratou wairua, a me whakarere atu ake ake;
(Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
Kia ora tonu ai ia ake ake: kia kaua e kite i te pirau.
Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka.
E kite ana hoki ia e matemate ana nga tangata whakaaro nui, e ngaro ngatahi ana te poauau me te whakaarokore, a mahue iho o ratou taonga ki etahi atu.
Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an'ny hafa.
Ki to ratou whakaaro puku, tera e pumau tonu o ratou whare me o ratou nohoanga, ki nga whakatupuranga katoa: huaina iho o ratou whenua ki o ratou ingoa.
Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny.
Heoi kahore te tangata e noho tonu i roto i te honore: ko tona rite kei nga kararehe ka moti nei.
Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
Ko to ratou ara tenei, ara ko to ratou poauau: heoi e whakapai ana to ratou uri ki a ratou korero. (Hera.
Izany no falehan'ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny.
Kei te hipi te rite: ko te wahi mo ratou ko te reinga; ko te mate hei hepara mo ratou, hei rangatira ano te hunga tika mo ratou i te ata; ko to ratou ataahua ma te reinga e whakamoti, kia kore ai he whare mona.
Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin'ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin'ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany.
Ma te Atua ia toku wairua e hoko mai i te reinga: ko ia hoki hei tukunga atu moku. (Hera.
Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy Izy.
Kaua e wehi ua whai taonga te tangata, ina nui haere te kororia o tona whare;
Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
Kahore hoki ana mea e mau atu ai ia ina mate; e kore tona kororia e tuku iho i muri i a ia.
Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
Whakapai noa ia i tona wairua i a ia e ora ana; a ka whakamoemititia koe ua pai au mahi ki a koe ano.
Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona - Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao -
Ka haere ia ki te whakatupuranga o ona tupuna: e kore rawa ratou e kite i te marama.
Dia hankany amin'ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.
Ko te tangata e whakahonoretia ana, a kahore e whai whakaaro, kei nga kararehe ka moti nei tona rite.
Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.