Psalms 44

Ki te tino kaiwhakatangi, ma nga tama a Koraha. He Makiri. E te Atua, kua rongo o matou taringa, kua korerotia ki a matou e o matou matua, nga mahi i mahia e koe i o ratou ra, i nga ra o mua.
Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny.
Nau nga tauiwi i pana ki tou ringa, nau ratou i whakato: nau nga iwi i whiu, a whakamararatia ana ratou.
Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany.
Ehara hoki i te mea, na ta ratou hoari i whiwhi ai ratou ki te whenua, ehara to ratou takakau i te mea i ora ai ratou: engari na tou matau, na tou takakau hoki, na te marama ano o tou mata, he pai hoki nou ki a ratou.
Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
E te Atua, ko koe toku Kingi: whakahaua he whakaora mo Hakapa.
Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an'i Jakoba.
Mau ka turaki ai matou i o matou hoariri; ma tou ingoa ka takahia ai e matou te hunga e whakatika ana ki a matou.
Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay.
E kore hoki ahau e whakawhirinaki ki taku kopere: e kore ano taku hoari e whakaora i ahau.
Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy.
Nau hoki matou i ora ai i o matou hoariri: nau ano i whakama ai te hunga i kino ki a matou.
Fa namonjy anay tamin'ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra.
Ko te Atua ta matou e whakamanamana ai i te roa o te ra: ka whakamoemiti ano matou ki tou ingoa ake ake. (Hera.
Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay.
Otira kua panga nei matou e koe, kua meinga kia whakama: kahore hoki koe kia haere tahi me a matou taua.
Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin'ny antokon'ny miaramilanay Hianao.
Kua meinga matou kia hoki whakamuri mai i te hoariri; kei te pahua ano i etahi ma ratou te hunga e kino ana ki a matou.
Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo.
Kua hoatu matou e koe, ano he hipi e kainga ana: kua marara ki roto ki nga tauiwi.
Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin'ny firenen-tsamy hafa.
E hokona ana e koe tau iwi, a hore he utu: kahore hoki koe e whiwhi rawa i te utu mo ratou.
Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin'ny vidiny.
E meinga ana matou e koe hei tawainga ma o matou hoa kainga; hei whakahaweatanga, hei whakakatanga mai ma te hunga i tetahi taha, i tetahi taha o matou.
Ataonao fandatsan'ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson'izay manodidina anay.
E meinga ana matou e koe hei whakatauki ma nga tauiwi; hei rurutanga matenga ma nga iwi.
Ataonao ho ambentinteny amin'ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin'ny olona maro.
Kei mua tonu i ahau toku whakama; kua taupokina ahau e te pawera o toku mata;
Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako,
I te reo o te kaitawai, o te kaikohukohu; i te hoariri, i te kairapu utu.
Noho ny feon'ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy.
Kua pa katoa tenei ki a matou; heoi kahore matou i wareware ki a koe, kihai ano i teka ki tau kawenata.
Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao.
Kahore to matou ngakau i tahuri whakamuri; kihai ano o matou hikoinga i peka ke i tau ara;
Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin'ny lalanao ny dianay.
I maru ai matou i a koe i te wahi o nga tarakona; a taupoki rawa ki te atarangi o te mate.
Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia sy nanarona anay tamin'ny aloky ny fahafatesana.
Mehemea kua wareware matou ki te ingoa o to matou Atua, kua totoro ranei o matou ringa ki te atua ke;
Raha nanadino ny anaran'Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin'ny andriamani-kafa,
E kore ranei tenei e ata tirohia e te Atua? E matau ana hoki ia ki nga mea ngaro o te ngakau.
Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po.
Mou nei hoki matou i patua ai i te ra roa nei: kiia iho matou he hipi e patua ana.
Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
E ara, he aha koe ka moe ai, e te Ariki? Whakatika, kaua matou e panga tonutia.
Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay.
He aha koe ka huna ai i tou mata? ka wareware ai ki to matou mamae, ki to matou tukinotanga?
Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay?
Kua piko nei hoki to matou wairua ki raro ki te puehu; piri rawa to matou kopu ki te whenua.
Fa miankohoka amin'ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin'ny tany ny kibonay.
E ara, hei awhina i a matou; kia mahara ki tou aroha, a hokona matou.
Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.