Psalms 110

He himene na Rawiri. I mea a Ihowa ki toku Ariki: Hei toku matau koe noho ai, kia meinga ra ano e ahau ou hoariri hei turanga waewae mou.
Salamo nataon'i Davida. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Ma Ihowa e tono mai te tokotoko o tou kaha i Hiona: hei rangatira koe i waenganui i ou hoariri.
Ny tehin'ny herinao Havoak'i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin'ny fahavalonao Hianao.
Ka kakama tou iwi ki te tapae atu i a ratou i te ra o tou kaha: i te ataahua o nga mea tapu, no te kopu mai o te ata, kei a koe te tomairangi o tou whanaketanga.
Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin'ny andro anafihanao; Amin'ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.
Kua oati a Ihowa, e kore ano tana e puta ke; Hei tohunga koe ake ake, no te tikanga o Merekihereke.
Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka.
Kei tou matau te Ariki, ka maru i a ia nga kingi i te ra e riri ai ia.
Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin'ny andron'ny fahatezerany
E whakawa ia i waenganui i nga tauiwi; e whakakiia e ia nga whenua ki te tupapaku: ka maru i a ia nga upoko i nga whenua maha.
Hitsara any amin'ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin'ny tany malalaka Izy.
Ka inu wai ia i te awa i te ara: a ka ara tona matenga.
Hisotro amin'ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan'ny lohany.