Psalms 106

Whakamoemititia a Ihowa. Whakawhetai ki a Ihowa; he pai hoki ia: he pumau tonu hoki tana mahi tohu.
Haleloia. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Me wai e korero nga mahi nunui a Ihowa: e whakakite katoa nga whakamoemiti ki a ia?
Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon'i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?
Ka hari te hunga e mau ana ki te whakarite tika; me te kaimahi i te tika i nga wa katoa.
Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.
Maharatia mai ahau, e Ihowa, kia rite ki tau manako ki tau iwi: tirotirohia mai ahau i runga i tau whakaoranga.
Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin'ny famonjenao aho,
Kia kite ai ahau i te pai o au i whiriwhiri ai: kia koa ai, koa tahi me tau iwi; kia whakamanamana tahi ai me tou kainga tupu.
Hahitako ny soa azon'ny voafidinao, Hifaliako amin'ny fifalian'ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin'ny lovanao.
Kua hara tahi matou me o matou matua, kua mahi matou i te kino, i te mea he.
Efa nanota izahay mbamin'ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
Kihai o matou matua i mohio ki au mea whakamiharo i Ihipa, kihai hoki i mahara ki te tini o au arohatanga; engari ia i whakatoi ratou ki a koe i te moana, ae, i te Moana Whero.
Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan'ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron'ny Ranomasina Mena
Otira whakaorangia ana ratou e ia, he whakaaro ki tona ingoa, kia matauria ai tona kaha.
Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.
I riria ano e ia te Moana Whero, a kua maroke: na arahina ana ratou e ia i nga rire, ano ko waenga koraha.
Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,
Na whakaorangia ake ratou e ia i te ringa o te tangata i kino ki a ratou; a hokona ana ratou i roto i te ringa o te hoariri.
Namonjy azy tamin'ny tanan'ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin'ny tanan'ny fahavalo.
A taupokina ana e nga wai o ratou hoariri, hore rawa tetahi morehu.
Dia nosaronan'ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Na whakapono ana ratou ki ana kupu: a waiata ana i te whakamoemiti ki a ia.
Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.
Hohoro tonu to ratou wareware ki ana mahi: kihai i taria e ratou tona whakaaro:
Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,
Engari i whakaputa nui i o ratou hiahia i te tahora; whakamatautau ana ratou i te Atua i te koraha.
Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an'Andriamanitra tany an-tany foana.
Na ka hoatu e ia ta ratou i inoi ai; otira i tukua atu e ia te hiroki ki to ratou wairua.
Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy.
I hae hoki ratou ki a Mohi i te puni, ki a Arona ano, ki te tangata tapu a Ihowa.
Dia nialona an'i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an'i Arona, olo-masin'i Jehovah.
Ko te hamamatanga o te whenua, na horomia ana a Ratana; a taupokina iho te ropu o Apirama.
Nisokatra ny tany, dia nitelina an'i Datana Ka nanarona ny antokon'i Abìrama.
A mura ana te ahi i to ratou ropu; wera ana i te mura te hunga kino.
Dia nisy afo nirehitra tamin'ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.
I hanga e ratou he kuao kau ki Horepa, a koropiko ana ki te whakapakoko i whakarewaina.
Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan'ny sarin-javatra an-idina.
Koia i whitia ai e ratou to ratou kororia mo te mea i rite ki te puru kai tarutaru.
Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin'ny omby homana ahitra.
Wareware ake i a ratou te Atua, to ratou kaiwhakaora, i mahi nei i nga mea nunui ki Ihipa.
Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
I nga mahi whakamiharo ki te whenua o Hama, i nga mea whakamataku ki te Moana Whero.
Dia fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama sy zava-mahatahotra teo amin'ny Ranomasina Mena.
Na ka mea ia, kia whakangaromia ratou, me i kaua a Mohi, tana i whiriwhiri ai, te tu ki tona aroaro i te takiwa, hei papare ake i tona riri, kei huna ratou e ia.
Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin'ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.
Ae ra, i whakahawea ratou ki te whenua ahuareka; kihai ratou i whakapono ki tana kupu;
Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
Heoi amuamu ana i roto i o ratou teneti, kihai i whakarongo ki te reo o Ihowa.
Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah.
Na reira ka ara tona ringa ki a ratou, ki te turaki i a ratou i te koraha;
Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra
Ki te turaki i o ratou uri i roto i nga iwi: ki te whakamarara i a ratou ki nga whenua.
Ary ny taranany kosa any amin'ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin'ny tany maro Izy.
I whakauru atu hoki ratou ki a Paarapeoro: a kai ana i nga patunga tapu ma nga mea mate.
Nikambana tamin'i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an'ny maty,
Koia i whakapataritari ai ratou i a ia ki a ratou hanga kia riri; a pakaru ana mai te mate uruta ki a ratou.
Dia nampahatezitra an'i Jehovah tamin'ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
Na ko te whakatikanga ake o Pinehaha, ki te whakaputa whakawa: a mutu iho te mate.
Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
I kiia ai ia he tika i nga whakatupuranga katoa ake ake.
Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin'ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
I whakapataritari ano ratou i a ia ki nga wai o Meripa; na hemanawa ana a Mohi mo ratou:
Nampahatezitra an'i Jehovah teo anilan'ny ranon'i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an'i Mosesy noho ny nataon'ireo;
Na ratou hoki i whakatoi tona wairua, i he ai te kupu a ona ngutu.
Fa niodina tamin'ny Fanahin'i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
Kihai ratou i whakangaro i nga iwi i kiia nei e Ihowa ki a ratou;
Tsy naringany ny firenena Izay nasain'i Jehovah naringany;
Heoi uru ana ki roto ki nga tauiwi, a ako ana i a ratou mahi.
Fa nifangaro tamin'ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,
I mahi hoki ratou ki a ratou whakapakoko, i mahangatia ai ratou.
Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.
Ae, i patua e ratou a ratou tama me a ratou tamahine ma nga atua maori;
Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an'ny demonia ireo;
I whakahekea hoki te toto harakore, nga toto o a ratou tama, o a ratou tamahine, i patua nei e ratou ma nga whakapakoko o Kanaana; a poke iho te whenua i te toto.
Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran'ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an'ny sampin'i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin'ny rà izy.
Na poke iho ratou i a ratou mahi: a puremu ana ki a ratou mahi.
Ary naloto tamin'ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.
Koia i mura ai te riri o Ihowa ki tana iwi; a whakarihariha ana ia ki tona kainga tupu.
Dia nirehitra tamin'ny olony ny fahatezeran'i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
A tukua ana ratou e ia ki te ringa o nga tauiwi; waiho ana te hunga i kino ki a ratou hei rangatira mo ratou.
Dia nanolotra azy teo an-tànan'ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.
Na ka tukinotia ratou e o ratou hoariri: ka pehia ki raro i o ratou ringa.
Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin'ny tànany izy.
He maha ana whakaoranga i a ratou: ko ratou ia i whakatoi ki a ia i o ratou whakaaro, a whakaititia ana i ta ratou kino.
Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.
Ahakoa ra, i titiro ia ki to ratou matenga, i tona rongonga i ta ratou tangi:
Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;
I mahara hoki ia ki tana kawenata ki a ratou, a rite tonu ki te tini o ana mahi aroha te putanga ketanga o ona whakaaro:
Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben'ny famindram-pony.
I meinga hoki ratou e ia kia arohaina e te hunga katoa i whakaraua atu ai ratou.
Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin'izay rehetra namabo azy.
Whakaorangia matou, e Ihowa, e to matou Atua, kohikohia matou i roto i nga tauiwi: kia whakawhetai ai ki tou ingoa tapu, kia whakamanamana ai ki tou whakamoemiti.
Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina Sy hifalianay amin'ny fiderana Anao.
Kia whakapaingia a Ihowa, te Atua o Iharaira, i tua whakarere ano, a ake ake. A kia mea katoa te iwi, Amine. Whakamoemititia a Ihowa.
Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.