Psalms 103

Na Rawiri. Whakapaingia a Ihowa, e toku wairua; e nga mea katoa i roto i ahau, whakapaingia tona ingoa tapu.
Nataon'i Davida Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.
Whakapaingia a Ihowa, e toku wairua, kei wareware hoki ki ana painga katoa.
Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
Ko ia te muru nei i ou kino katoa; te rongo a nei i ou mate katoa.
Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
Ko ia te hoko nei i tou ora kei ngaro; te karauna nei i a koe ki te atawhai, ki te aroha.
Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,
Nana nei i makona ai tou mangai i nga mea papai; i hou ai tou taitamarikitanga, i rite ai ki to te ekara.
Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery.
Ka puta i a Ihowa nga mahi tika, me te whakawa tika ki te hunga katoa e tukinotia ana.
Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.
I whakaakona e ia ana ara ki a Mohi, ana mahi ki nga tama a Iharaira.
Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.
Ki tonu a Ihowa i te aroha me te atawhai, he puhoi ki te riri, he nui hoki tana mahi tohu.
Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
E kore ia e whakatupuehupehu tonu, e kore ano e mauahara ake ake.
Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
Kihai i rite ki o tatou hara ana meatanga ki a tatou: kihai ano i rite ki o tatou kino ana utu mai ki a tatou.
Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.
He rite hoki ki te rangi e tiketike ake ana i te whenua, pera tonu te nui o tana mahi tohu ki te hunga e wehi ana ki a ia.
Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy.
Pera i te matara o te rawhiti i te uru, pera tonu tana whakamataratanga atu i a tatou mahi tutu i a tatou.
Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
E aroha ana te matua ki ana tamariki, pera tonu to Ihowa aroha ki te hunga e wehi ana ki a ia.
Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy;
E matau ana hoki ia ki to tatou ahua, e mahara ana he puehu tatou.
Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.
Ko te tangata ia, rite tonu ona ra ki o te tarutaru: kei te puawai o te mara, ko tona ngawhatanga.
Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
E rarungatia ana hoki e te hau, a kua kahore; kahore hoki e mohiotia a muri e tona wahi.
Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.
Tena ko te mahi tohu a Ihowa no tua whakarere, a ake tonu ake, ki te hunga e wehi ana ki a ia: tona tika hoki ki nga uri o nga tamariki;
Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
Ki te hunga e pupuri ana i tana kawenata, ki te hunga hoki e mahara ana ki ana ako kia mahia.
Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
Kua oti i a Ihowa tona torona te whakatu ki nga rangi; a e kawanatia ana nga mea katoa e tona kingitanga.
Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
Whakapaingia a Ihowa, e ana anahera, e hira nei te kaha, e whakarite nei i tana kupu, e whakarongo nei ki tona reo ina korero.
Misaora an'i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny.
Whakapaingia a Ihowa, e ana mano katoa, e ana minita e mahi nei i tana e pai ai.
Misaora an'i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.
Whakapaingia a Ihowa, e ana mahi katoa i nga wahi katoa o tona kingitanga: whakapaingia a Ihowa, e toku wairua.
Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.