Philippians 1

Na Paora, raua ko Timoti, na nga pononga a Ihu Karaiti, ki te hunga tapu katoa i roto i a Karaiti Ihu e noho ana i Piripai, ratou ko nga pihopa, ko nga rikona.
Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy;
Kia tau ki a koutou te aroha noa, me te rangimarie, he mea na te Atua, na to tatou Matua, na te Ariki hoki, na Ihu Karaiti.
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
E whakawhetai ana ahau ki toku Atua i oku maharatanga katoa ki a koutou,
Misaotra an'Andriamanitro amin'ny fahatsiarovako anareo
I aku inoinga katoa, e puta ana taku inoi mo koutou i nga wa katoa i runga i te hari,
mandrakariva aho amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana,
Mo koutou i uru tahi mai hei tautoko i te rongopai, mai o te ra tuatahi a moroki noa nei;
noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
Pumau tonu toku whakaaro ki tenei mea nei ano, tera te kaitimata o te mahi pai i roto i a koutou e whakaoti, taea noatia te ra o Ihu Karaiti;
ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy;
He tika hoki kia penei oku whakaaro ki a koutou katoa, no te mea kei roto koutou i toku ngakau; ara, ahakoa i ahau nei i te here, ahakoa i ahau e korero whakaara nei, e whakau nei i te rongopai, ka uru tahi koutou katoa me ahau ki te aroha noa.
fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin'ny fifatorako, na amin'ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
Ko te Atua hoki hei kaiwhakaatu moku, mo te nui o toku koingo ki a koutou katoa, i runga i te ngakau aroha o Ihu Karaiti.
Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesosy.
Ko taku inoi ano tenei, kia nui haere tonu to koutou aroha i runga i te matauranga, i nga mahara mohio katoa;
Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
Kia whakaaetia ai e koutou nga mea papai; kia kore ai o koutou tinihanga, o koutou he, a taea noatia te ra o te Karaiti;
mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin'ny andron'i Kristy ianareo,
Kia ki ai hoki i nga hua o te tika, e puta mai ana i a Ihu Karaiti, hei kororia, hei whakamoemiti i te Atua.
sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.
Na e mea ana ahau kia matau koutou, e oku teina, ki te tukunga iho o nga mea i pa ki ahau, pai tonu hei whakaneke ake i te rongopai;
Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;
Kua kitea hoki oku mekameka mo ta te Karaiti, puta noa i te wahi katoa o nga hoia tiaki i te kingi, i era atu wahi katoa ano hoki;
ka ao amin'i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin'ny olona hafa rehetra;
Kua ngakau nui hoki te tokomaha o nga teina i roto i te Ariki, i oku mekameka nei, hira rawa ano hoki to ratou maia ki te korero i te kupu, kahore he mataku.
ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra.
Ko etahi na te hae, na te totohe, i kauwhau ai i a te Karaiti; ko etahi na te whakaaro pai;
Fialonana sy fifandirana aza no itorian'ny sasany an'i Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny sasany;
Ko etahi na te aroha, e mahara ana kua waiho ahau hei korero whakaara i te rongopai:
fitiavana ny an'ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
Ko etahi na te totohe ta ratou kauwhau i a te Karaiti, ehara i te whakaaro pono, e mea ana ki te whakatupu mamae moku e mekameka nei.
fifampiandaniana kosa no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.
A tena, pehea iho? Anei ra, ahakoa tinihanga, ahakoa pono, e kauwhautia ana a te Karaiti; a e hari ana ahau ki tenei, ae ra, ka hari ano ahau.
Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy, na amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.
E matau ana hoki ahau ka ai tenei hei whakaora moku, i a koutou na ka inoi, i te Wairua ano hoki o Ihu Karaiti ka homai;
Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana ny Fanahin'i Jesosy Kristy,
Ko taku hoki tenei e whakamau tonu nei, e tumanako atu nei, e kore ahau e whakama i tetahi mea, engari ka tino maia ahau, a ka pera me to nga wa katoa, ka whakanuia ano a te Karaiti aianei e toku tinana, ahakoa i te ora, ahakoa i te mate.
araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana.
Ki ahau hoki ko te ora ko te Karaiti, ko te mate he taonga.
Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
Ki te ora ia ahau i te kikokiko, mehemea ko te hua tenei o taku mahi, heoi kahore ahau e mohio ko te aha taku e whiriwhiri ai.
Kanefa raha ny ho velona amin'ny nofo no hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;
E karapitia mai ana hoki ahau e nga mea e rua, he hiahia nei toku ki te haere, kia noho ai ahau ki a te Karaiti; ko te mea tino pai rawa hoki tera:
fa sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany;
Ko te noho ranei i te kikokiko, ko te mea pai ake hoki tena mo koutou.
kanefa kosa ny hitoetra eo amin'ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
Na ka u nei toku whakaaro ki tenei, e matau ana ahau tera ahau e noho, ae ra, ka noho iho ahau ki a koutou katoa, hei whakaneke ake, hei whakahari i a koutou i runga i te whakapono;
Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin'ny finoanareo,
Kia hira rawa ai to koutou whakamanamana i roto i a Karaiti Ihu ki ahau, moku ka noho tahi ano me koutou.
mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin'i Kristy Jesosy amin'ny hankanesako atỳ aminareo indray.
Engari kia tika ta koutou whakahaere, kia rite ki ta te rongopai o te Karaiti: na, ahakoa tae atu ahau kia kite i a koutou, ngaro mai ranei, kia rongo tonu atu ahau ki to koutou ahua, kei te tu koutou i runga i te wairua kotahi, i te ngakau kota hi, me te tohe tahi ano ki te whakapono o te rongopai:
Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin'ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
Kahore hoki he wehi ki tetahi mea a o koutou hoariri: he tohu hoki tenei ki a ratou mo te whakangaromanga, ki a koutou ia mo te ora, i ahu mai i te Atua.
ka tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin'Andriamanitra.
No te mea kua hoatu ki a koutou hei meatanga ma koutou ki a te Karaiti, ehara i te mea ko te whakapono anake ki a ia, engari ko te mate ano hoki mo te whakaaro ki a ia;
Fa ianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,
Kei a koutou hoki taua pakanga i kite ra koutou ki ahau, a ka rongo nei inaianei kei ahau.
dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.