Numbers 13

I korero ano a Ihowa ki a Mohi, i mea,
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:
Me unga e koe etahi tangata hei tutei mo te whenua o Kanaana, mo tera e hoatu nei e ahau ki nga tama a Iharaira: kia kotahi o tenei iwi, o tenei iwi o o ratou matua e tonoa e koutou, hei te rangatira anake.
Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy.
Na ka unga a Mohi i ratou i te koraha o Parana, ka pera me ta Ihowa i ki ai; he upoko katoa enei tangata no nga tama a Iharaira.
Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.
Ko o ratou ingoa enei; no te iwi o Reupena, ko Hamua tama a Takuru.
Ary izao no anarany: Avy tamin'ny firenen'i Robena dia Samoa, zanak'i Zakora;
No te iwi o Himiona, ko Hapata tama a Hori.
avy tamin'ny firenen'i Simeona dia Safata, zanak'i Hory;
No te iwi o Hura, ko Karepe tama a Iepune.
avy tamin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;
No te iwi o Ikara, ko Ikara tama a Hohepa.
avy tamin'ny firenen'Isakara dia Jigala, zanak'i Josefa;
No te iwi o Eparaima, ko Hohea tama a Nunu.
avy tamin'ny firenen'i Efraima dia Hosea, zanak'i Nona;
No te iwi o Pineamine, ko Parati tama a Rapu.
avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Palty, zanak'i Rafo;
No te iwi o Hepurona, ko Kariere tama a Hori.
avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Gadiela, zanak'i Sody;
No te iwi o Hohepa, ara no te iwi o Manahi, ko Kari tama a Huhi.
avy tamin'ny firenen'i Josefa, tamin'ny firenen'i Manase, dia Gady, zanak'i Sosy;
No te iwi o Rana, ko Amiere tama a Kemari.
avy tamin'ny firenen'i Dana dia Amiela, zanak'i Gemaly;
No te iwi o Ahera, ko Heturu tama a Mikaere.
avy tamin'ny firenen'i Asera dia Setora, zanak'i Mikaela;
No te iwi o Napatari, ko Nahapi tama a Wopohi.
avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Naby, zanak'i Vofsy;
No te iwi o Kara, ko Keuere tama a Maki.
avy tamin'ny firenen'i Gada dia Geoela, zanak'i Maky.
Ko nga ingoa enei o nga tangata i unga nei e Mohi hei tutei mo te whenua. A huaina iho e Mohi a Hohea tama a Nunu ko Hohua.
Ireo no anaran'ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak'i Nona, dia nataon'i Mosesy hoe Josoa.
Na ka unga ratou e Mohi hei tutei mo te whenua o Kanaana, ka mea ia ki a ratou, Haere atu ki runga na konei, na te tonga, ka kake ki te maunga:
Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin'ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana;
Ka titiro ai i te whenua, he aha ranei; i te iwi ano hoki e noho ana i reira, he kaha ranei, he kahakore ranei, he tokoouou ranei, he tokomaha ranei;
dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;
He pehea te whenua e nohoia ana e ratou, he pai ranei, he kino ranei; he pehea hoki nga pa e nohoia ana e ratou, he teneti ranei, he mea taiepa ranei;
ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;
He pehea hoki te whenua, he momona ranei, he kikokore ranei, he rakau ranei to reira, kahore ranei. Kia maia hoki, maua mai ano etahi o nga hua o te whenua. Na, ko taua wa ko te wa o nga karepe matamua.
ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan'ny voaloboka mialin-taona.
Na ko to ratou haerenga ki runga, tuteia ana e ratou te whenua i te koraha o Hini, a tae noa ki Rehopo, ki te haerenga atu ki Hamata.
Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin'ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin'i Hamata.
A i haere ratou na te tonga, ka tae ki Heperona; a i reira a Ahimana, a Hehai, a Taramai, nga tama a Anaka. Na ko Heperona, ko tona hanganga, e whitu nga tau i mua i to Toana i Ihipa.
Dia niakatra tao amin'ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana any Egypta.)
A ka tae iho ratou ki te awaawa ki Ehekora, ka tapahia i reira he manga karepe, kotahi te tautau, ka amohia e te tokorua i runga i te tokotoko; i mauria mai ano etahi pamekaranete, me etahi piki.
Dia nankany amin'ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin'ny hazo izany; ary ny ampongaben-danitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.
A huaina iho taua wahi ko te raorao o Ehekora, no te tautau karepe i tapahia e nga tama a Iharaira i reira.
Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin'ny Zanak'Isiraely teo.
No te paunga o nga ra e wha tekau ka hoki mai ratou i te tutei i te whenua.
Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.
Na haere ana, a ka tae ki a Mohi ratou ko Arona, ko te whakaminenga katoa o nga tama a Iharaira, ki te koraha o Parana, ki Karehe; ki te whakahoki i te korero ki a ratou ko te whakaminenga katoa, a whakakitea ana e ratou nga hua o te whenua ki a ratou.
Dia nankeo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
A ka korero ki a ia, ka mea, I tae matou ki te whenua i unga nei matou e koe, na he pono e rerengia ana e te waiu, e te honi; ko ona hua tenei.
Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.
Otiia he kaha te iwi e noho ana i taua whenua, he mea taiepa hoki nga pa, he nunui rawa: i kite ano matou i nga tama a Anaka ki reira.
Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
E noho ana nga Amareki i te whenua ki te tonga: ko nga Hiti, ko nga Iepuhi, ko nga Amori, e noho ana i nga maunga: kei te taha o te moana nga Kanaani e noho ana, kei te taha ano o Horano.
Ny Amalekita no monina eo amin'ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin'ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron'ny ranomasina sy eo amoron'i Jordana.
Na ka whakamarietia te iwi e Karepe i te aroaro o Mohi, a ka mea ia, Kia hohoro ta tatou haere ki te tango i reira; e taea hoki e tatou.
Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
Ko nga tangata ia i haere tahi me ia ki runga, i mea, E kore e ahei i a tatou te haere ki runga, ki taua iwi; he kaha ake hoki ratou i a tatou.
Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.
Na ka kawea e ratou he korero kino mo te whenua i tuteia e ratou ki nga tama a Iharaira, i mea ratou, Ko taua whenua i haerea ra e matou, i tuteia, he whenua e ngau ana i ona tangata; he tangata nunui rawa hoki te hunga katoa i kitea e matou ki reira.
Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;
He nunui rawa hoki nga tangata i kitea e matou ki reira, he tama na Anaka, he uri no nga tangata roroa: a ki ta matou titiro, me he mawhitiwhiti matou: he pera ano matou ki ta ratou titiro.
ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.