Matthew 26

A, ka mutu enei kupu katoa a Ihu, ka mea ia ki ana akonga,
Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe Izy:
E matau ana koutou kia rua ake ra ko te kapenga, a ka tukua te Tama a te tangata kia ripekatia,
Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak'olona dia hatolotra hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
Na ka whakamine nga tohunga nui, nga karaipi, me nga kaumatua o te iwi, ki te whare o te tohunga nui, ko Kaiapa te ingoa.
Ary tamin'izany dia nivory ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa.
Ka whakatakoto tikanga nanakia e mau ai a Ihu, e whakamatea ai.
Ary niara-nihevitra izy hisambotra an'i Jesosy amin'ny fitaka ka hamono Azy;
Otira i mea ratou, Kauaka i te hakari, kei ngangau te iwi.
kanefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin'ny olona.
Na, i a Ihu i Petani i te whare o Haimona repera,
Ary nony tany Betania Jesosy, tao an-tranon'i Simona boka,
Ka haere mai tetahi wahine ki a ia me te pouaka kohatu, ki tonu i te hinu kakara utu nui, a ringihia ana ki runga ki tona matenga, i a ia e noho ana ki te kai.
dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.
No te kitenga ia o ana akonga, ka riri, ka mea, Hei aha tenei maumau?
Fa nony nahita izany ny mpianatra, dia tezitra ka nanao hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana izao?
He nui hoki te utu me i hokona tenei hinu kakara, ka hoatu ki te hunga rawakore.
Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.
A i mohio a Ihu, ka mea ki a ratou, He aha ta koutou e whakapawerawera i te wahine nei? he mahi pai hoki tana i mea nei ki ahau.
Ary fantatr'i Jesosy izay nataon'ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.
Kei a koutou tonu hoki te hunga rawakore i nga wa katoa; tena ko ahau e kore e noho tonu ki a koutou.
Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
I ringihia ai hoki tenei hinu kakara ki toku tinana, he mea mo toku tanumanga.
Fa izy no nampidina izany menaka manitra izany tamin'ny tenako, dia ny hamboatra Ahy halevina no nanaovany izany.
He pono taku e mea nei ki a koutou, Ko nga wahi o te ao katoa e kauwhautia ai tenei rongopai, ka korerotia ano ta tenei wahine i mea ai, hei whakamahara ki a ia.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy.
Katahi ka haere tetahi o te tekau ma rua, ko Hura Ikariote te ingoa, ki nga tohunga nui,
Ary ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona
Ka mea, he aha ta koutou e pai ai kia homai ki ahau, a maku ia e tuku ki a koutou? A ka paunatia e ratou e toru tekau hiriwa ki a ia.
ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.
A no reira mai ano ia i rapu ai i te wa pai e tukua ai ia.
Ary hatramin'izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.
Na i te ra tuatahi o te taro rewenakore ka haere nga akonga ki a Ihu, ka mea ki a ia, Ko hea tau e pai ai kia taka e matou te kapenga hei kai mau?
Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
Na ka mea ia, Haere ki te pa, ki a mea, ka ki atu ki a ia, E mea ana te Kaiwhakaako, Ka tata toku taima; hei a koe matou ko aku akonga mea ai i te kapenga.
Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
A meatia ana e nga akonga ta Ihu i whakarite ai ki a ratou; taka ana e ratou te kapenga.
Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain'i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.
Ka ahiahi, ka noho ia me te tekau ma rua.
Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin'ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy.
A, i a ratou e kai ana, ka mea ia, He pono taku e mea nei ki a koutou, ma tetahi o koutou ahau e tuku.
Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.
A pouri noa iho ratou, ka anga ka korero takitahi ki a ia, Ko ahau ranei, e te Ariki?
Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
A ka whakahoki ia, ka mea, Ko te tangata, e toutou tahi nei o maua ringa ki te rihi, mana ahau e tuku.
Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin'ny lovia, izy no hamadika Ahy.
E haere ana hoki te Tama a te tangata, e pera ana me te mea i tuhituhia mona: otiia aue te mate mo te tangata e tukua ai te Tama a te tangata! he pai mo taua tangata me i kaua ia e whanau.
Ny Zanak'olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
Katahi a Hura, tona kaituku, ka oho ake, ka mea, E te Kaiwhakaako, ko ahau ranei? Ano ra ko ia ki a ia, Kua korerotia na e koe.
Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.
A, i a ratou e kai ana, ka mau a Ihu ki te taro, a, ka mutu te whakapai, ka whawhati, ka hoatu ki nga akonga, ka mea, Tangohia, kainga; ko toku tinana tenei.
Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
Na ka mau ia ki te kapu, a, ka mutu te whakawhetai, ka hoatu ki a ratou, ka mea, Inumia tetahi wahi o tenei e koutou katoa;
Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;
Ko oku toto hoki enei, ko o te kawenata hou, e whakahekea ana mo te tini, hei murunga hara.
fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.
Na ko taku kupu tenei ki a koutou, E kore ahau e inu i tenei hua o te waina a mua ake nei, kia taea ra ano taua ra e inumia houtia ai e tatou i te rangatiratanga o toku Matua.
Ary lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko.
A, no ka mutu ta ratou himene, ka haere ki Maunga Oriwa.
Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Oliva.
Katahi a Ihu ka mea ki a ratou, Ka he katoa koutou ki ahau i tenei po: kua oti hoki te tuhituhi, Ka patua e ahau te hepara, a ka whakamararatia nga hipi o te kahui.
Ary tamin'izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana (Zak. 13. 7).
Otira, muri iho i toku aranga, ka haere ahau i mua i a koutou ki Kariri.
Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
Na ka whakahoki a Pita, ka mea ki a ia, Ahakoa he noa te katoa ki a koe, e kore rawa ahau e he.
Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.
Ka mea a Ihu ki a ia, He pono taku e mea nei ki a koe, Ko tenei po ano, i te mea kahore ano i tangi noa te tikaokao, ka toru au whakakahoretanga i ahau.
Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.
Ka mea a Pita ki a ia, Ahakoa kua takoto te tikanga kia mate tahi taua, e kore ahau e whakakahore i a koe. I pera ano te ki a nga akonga katoa.
Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'ny mpianatra rehetra.
Katahi ka haere ratou ko Ihu ki tetahi wahi, tona ingoa nei ko Kehemane, a ka mea ia ki ana akonga, Hei konei koutou noho ai, kia haere ahau ki koina inoi ai.
Ary Jesosy mbamin'ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.
Na ka mau ia ki a Pita ratou ko nga tama tokorua a Heperi, a ka timata te pouri, te tumatatenga.
Ary nitondra an'i Petera mbamin'izy roa lahy zanak'i Zebedio Izy, dia nalahelo am-po sy ory indrindra.
Na ka mea ia ki a ratou, Ki tonu toku wairua i te pouri, tata pu ki te mate: hei konei koutou noho ai, kia mataara tahi tatou.
Dia hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.
A haere ana ia ki tahaki tata atu, ka takoto tapapa, ka inoi, ka mea, E toku Matua, ki te mea e ahei, kia pahemo atu tenei kapu i ahau: otira kaua e waiho i taku e pai ai, engari i tau.
Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
A ka haere ia ki ana akonga, rokohanga atu e moe ana, na ka mea ia ki a Pita, Ha, ko ta koutou tenei, te mataara tahi tatou kia kotahi haora?
Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!
Kia mataara me te inoi, kei uru ki te whakamatautauranga. He hihiko te wairua, ko te kikokiko ia he ngoikore.
Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
Ka haere atu ano ia, ko te rua o ona hokinga, ka inoi, ka mea, E toku Matua, ki te kore e ahei kia pahemo atu tenei kapu i ahau, a me inu ano e ahau, waiho i tau i pai ai.
Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao.
Ko tona haerenga mai ano, na rokohanga mai e moe ana ano ratou; i taimaha hoki o ratou kanohi.
Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony.
Na ka waiho ano ratou e ia, a haere ana ano, ka inoi, ko te toru o nga inoinga, me te whakahua i taua kupu ano.
Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.
Katahi ia ka haere ki ana akonga, ka mea ki a ratou, Moe tonu, takoto marie: na ka tata te haora, ka tukua te Tama a te tangata ki nga ringa o te hunga hara.
Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.
Maranga, ka haere tatou: nana, ka tata te kaituku i ahau.
Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
A, i a ia ano e korero ana, na ka tae mai a Hura, tetahi o te tekau ma rua, he tini hoki nga tangata i a ia, me nga hoari, me nga patu, he mea tono mai na nga tohunga nui, na nga kaumatua o te iwi.
Ary raha mbola niteny Jesosy, indro, avy Jodasy, izay isan'ny roa ambin'ny folo lahy, mbamin'ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona.
Kua oti hoki tetahi tohu te whakarite ki a ratou e tona kaituku, i mea ia, Na, ko taku tangata e kihi ai, koia tena: hopukia.
Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.
Na tika tonu ia ki a Ihu, ka mea, Tena koe, e te Kaiwhakaako; a kihi ana i a ia.
Ary niaraka tamin'izay dia nanatona an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.
Na ka mea a Ihu ki a ia, E hoa, meinga tau i haere mai ai ki te mahi. Me i reira ka haere mai ratou, ka pa o ratou ringa ki a Ihu, a hopukia ana ia.
Fa hoy Jesosy taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an'i Jesosy ary nitana Azy.
Na ka totoro te ringa o tetahi o nga hoa o Ihu, a unuhia ana tana hoari, ka haua iho te pononga a te tino tohunga, tapahia ana tona taringa.
Ary, indro, ny anankiray tamin'izay nomba an'i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
Katahi ka mea a Ihu ki a ia, Whakahokia iho tau hoari ki tona pukoro: ka mate hoki i te hoari te hunga hapai hoari.
Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin'ny sabatra.
E hua koe e kore e ahei i ahau aianei te inoi ki toku Matua, a e homai e ia ki ahau he anahera maha atu i nga rihiona kotahi tekau ma rua?
Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
Nei ra, ma te aha ka rite ai ta nga karaipiture, ara ko tenei kia meatia?
Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?
I taua wa ka mea a Ihu ki nga mano, He tahae ahau i haere mai ai koutou me nga hoari me nga patu ki te hopu i ahau? I a koutou ahau e noho ana i te temepara, e ako ana i tena ra, i tena ra, a kihai koutou i hopu i ahau.
Ary tamin'izany ora izany dia niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan'andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
Na i meatia tenei katoa hei whakarite mo nga karaipiture a nga poropiti. Na ka whakarere nga akonga katoa i a ia, a oma ana.
Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin'izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
Katahi ka kawea a Ihu e nga kaihopu ki te whare o Kaiapa, o te tino tohunga, i reira hoki nga karaipi me nga kaumatua e huihui ana.
Ary izay efa nisambotra an'i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
Ko Pita ia i aru i a ia i tawhiti ki te marae o te tino tohunga, a tomo atu ana, noho tahi ana me nga kaimahi, kia kite i te mutunga.
Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.
Na ka rapu nga tohunga nui, me nga kaumatua, me te runanga katoa, ki te whakapae teka mo Ihu, kia mate ai ia:
Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an'i Jesosy mba hamonoany Azy;
Heoi kihai i kitea: ahakoa he tokomaha nga kaiwhakapae teka i haere mai. Muri iho ka puta nga kaiwhakapae teka tokorua,
fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe:
Ka ki, i mea ia, E taea e ahau te whakahoro te whare tapu o te Atua, a kia toru nga ra ka oti i hau te hanga.
Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin'Andriamanitra Aho sy manangana azy amin'ny hateloana.
Na kua whakatika te tino tohunga, ka mea ki a ia, Kahore au kupu? he aha ta enei e whakaatu nei mou?
Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
Heoi kihai a Ihu i kuihi. Na ka ki ano te tino tohunga, ka mea ki a ia, Ko te Atua ora taku whakaoati mou, na korero mai ki a matou, ko te Karaiti ranei koe, ko te Tama a te Atua?
Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra.
Ka mea a Ihu ki a ia, Kua korerotia mai na e koe: otira tenei ano taku kupu ki a koutou, Tenei ake ka kite koutou i te Tama a te tangata e noho ana ki matau o te kaha, e haere mai ana i runga i nga kapua o te rangi.
Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
Katahi ka haehae te tino tohunga i ona kakahu, ka mea, Kua kohukohu; hei aha atu ma tatou nga kaiwhakaatu? Na kua rongo nei koutou i tana kohukohu,
Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.
E pehea ana o koutou whakaaro? Na ka whakahoki ratou, ka mea, Ka tika kia mate.
Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.
Na ka tuwhaina tona mata e ratou, ka kurua ia; ko etahi i papaki i a ia,
Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.
I mea, Poropiti ki a matou, e te Karaiti, Na wai koe i papaki?
ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?
Na i waho a Pita e noho ana, i te marae: a ka haere mai tetahi kotiro ki a ia, ka mea, Ko koe hoki i a Ihu o Kariri.
Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy, ilay Galiliana.
Otira ka whakahore ia i te aroaro o ratou katoa, ka mea, Kahore ahau e mohio ki tau e ki mai na.
Fa izy nandà teo anatrehan'izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.
A ka puta atu ia ki waho ki te whakamahau, ka kite ano tetahi atu kotiro i a ia, a ka mea tera ki te hunga i reira, I a Ihu ano o Nahareta tenei.
Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin'izay teo hoe: Ity koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
A ka whakahore ano ia, me te oati ano, Kahore ahau e mohio ki tena tangata.
Ary nandà indray tamin'ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
A, muri tata iho, ka haere mai te hunga e tu ana, ka mea ki a Pita, Koia ano, ko koe tetahi o ratou; na tou reo koe i whakaatu.
Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin'i Petera hoe: Marina tokoa fa naman'ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.
Katahi ia ka timata te kanga, te oati, Kahore rawa ahau e mohio ki tena tangata. A tangi tonu iho te tikaokao.
Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
Na ka mahara a Pita ki ta Ihu kupu i mea ai ki a ia, E kore e tangi te tikaokao, ka toru au whakakahoretanga i ahau. Na haere ana ia ki waho, a nui atu tona tangi.
Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.