Malachi 3

Tenei te unga atu nei e ahau taku karere, mana e whakapai te ara i mua i ahau, a kitea rawatia ake, kua tae te Ariki, e rapua nei e koutou, ki tona temepara; na ko te anahera o te kawenata, ko ta koutou e ngakau nui na, nana, tera ia ka tae atu, e ai ta Ihowa o nga mano.
Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
A ko wai e u i te ra e tae mai ai ia? ko wai hoki e tu, ina puta mai ia? e rite ana hoki ia ki te ahi a te kaitahi para, ki te mea horoi a te kaihoroi:
Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba.
Ka noho ano ia, ka rite ki te kaitahi para, ki te kaiwhakapai hiriwa, a ka whakapaia e ia nga tama a Riwai, ka whakahemokia to ratou para, ano he koura, he hiriwa: kia tapaea ai e ratou he whakahere ki a Ihowa i runga i te tika.
Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.
Ko reira te whakahere a Hura raua ko Hiruharama rekaina ai e Ihowa, ka rite ki nga ra o mua, ki nga tau onamata.
Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha.
Ka whakatata atu ano ahau ki a koutou ki te whakawa; ka hohoro ano ahau hei kaiwhakaatu i te he o nga kaimakutu, o te hunga puremu, o nga kaioati teka, o te hunga e tahae ana i nga utu o te kaimahi, i ta te pouaru, i ta te pani, e whakapeau ke an a i ta te manene, a kahore e wehi i ahau, e ai ta Ihowa o nga mano.
Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Ko ahau hoki, ko Ihowa, kahore ahau e puta ke; na reira koutou, e nga tama a Hakopa, i kore ai e pau.
Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana.
No nga ra o o koutou matua i whakarerea ai e koutou aku tikanga, kihai ano i puritia e koutou. Hoki mai ki ahau, a ka hoki atu ahau ki a koutou, e ai ta Ihowa o nga mano. Heoi kei te mea na koutou, Kia pehea ta matou hoki atu?
Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?
E tahae ranei te tangata i ta te Atua? Heoi e tahae na koutou i taku. A e mea na koutou, He pehea ta matou tahae i tau? Ki nga whakatekau ra, me nga whakahere.
Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo ? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao ? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.
Kua kanga, kua kanga koutou: ko koutou hoki kei te tahae i taku, ara ko tenei iwi katoa.
Voaozona amin'ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao.
Maua katoatia mai te whakatekau ki roto ki te toa, kia whai kai ai toku whare, waiho hoki tenei hei whakamatautau moku, e ai ta Ihowa o nga mano, me kahore e tuwhera i ahau nga matapihi o te rangi ki a koutou, a ka ringihia he manaaki ki a kouto u, a kia kore ra ano he takotoranga.
Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
A ka riria e ahau te kaiwhakapareho, he mea mo koutou, a e kore e huna e ia nga hua o to koutou oneone; e kore ano e marere noa nga hua o ta koutou waina i te mara, e ai ta Ihowa o nga mano.
Ary hasiako teny mafy ny valala noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
A ki ta nga iwi katoa, he manaakitanga koutou: no te mea he whenua ahuareka koutou, e ai ta Ihowa o nga mano.
Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
He kaha a koutou kupu ki ahau, e ai ta Ihowa. Heoi e ki na koutou, He aha ta matou korero mou?
Ny teninareo dia mahery mamely Ahy hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao?
Kua ki na koutou, Kahore he hua o te mahi ki te Atua: he aha hoki te rawa o ta matou pupuri i ana mea, o ta matou haere taua i te aroaro o Ihowa o nga mano?
Tamin'ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an'Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin'ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin'ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan'i Jehovah, Tompon'ny maro.
Na inaianei ki ta matou, ko te hunga whakakake nga mea koa; ae ra, ko nga kaimahi i te kino te hunga e hanga ake; ae ra, e whakamatautau ana ratou i te Atua, a kua mawhiti.
Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an'Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.
Na, ko te hunga i wehi i a Ihowa, kei te korerorero ratou ki tona hoa, ki tona hoa; a ka tahuri a Ihowa, ka whakarongo, na ka tuhituhia he pukapuka whakamahara ki tona aroaro mo te hunga i wehi ki a Ihowa, i whakaaro hoki ki tona ingoa.
Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany.
Maku hoki ratou, e ai ta Ihowa o nga mano, i te ra e mahia ai e ahau he taonga motuhake; ka manawapa ano ahau ki a ratou, ka pera me te tangata e manawapa ana ki tana tama e mahi ana ki a ia.
Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.
Ko reira ano koutou hoki ai, kite ai i te rereketanga o ta te tika, o ta te kino, o ta tera e mahi ana ki te Atua, o ta tera kahore e mahi ki a ia.
Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Tsarovinareo ny lelan'i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin'ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika. Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; ary izay hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana.