Luke 13

Na i reira etahi i taua wa nana i korero ki a ia nga tangata o Kariri, i whakaranua nei o ratou toto e Pirato ki a ratou patunga tapu.
Ary tamin'izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin'i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon'i Pilato tamin'ny fanatiny ny ràny.
Na ka whakahoki ia, ka mea ki a ratou, E mea ana ranei koutou, he hara rawa aua tangata o Kariri i nga tangata katoa o Kariri, no te mea he pera o ratou mate?
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin'izany zavatra izany izy?
Na ko taku kupu tenei ki a koutou, Kahore; engari ki te kore koutou e ripeneta, ka pera ano hoki koutou katoa te mate.
Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
Me taua tekau ma waru i horoa nei e te pourewa o Hiroama, a mate iho, e mea ana oti koutou, he hara rawa ratou i nga tangata katoa e noho ana i hiruharama?
Ary ireny valo ambin'ny folo ireny, izay nianjeran'ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
Ko taku tenei ki a koutou, Kahore: engari ki te kore koutou e ripeneta, ka pera ano koutou katoa te mate.
Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
A i korerotia e ia tenei kupu whakarite; He piki ta tetahi tangata, he mea whakato ki tana mara waina; na ka haere mai ia, ka rapu hua i runga, a kihai i kitea.
Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita.
Katahi ia ka mea ki te kaimahi waina, Na, ka toru enei oku tau e haere mai ana ki te rapu hua i runga i tenei piki, heoi kahore i kitea: tuaina ki raro; hei aha i maumauria ai hoki te whenua?
Ka dia hoy izy tamin'ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany?
Na ka whakahoki tera, ka mea ki a ia, E te ariki, waiho ano hoki i tenei tau, kia keria ra ano e ahau nga taha, kia maka hoki he wairakau:
Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika;
A ki te whai hua a houange, ka waiho; ki te kahore, mau e tua ki raro.
angamba mbola hamoa izy; fa raha tsy izany, dia hokapainao ihany.
A i roto ia i tetahi o nga whare karakia e whakaako ana i te hapati.
Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata.
Na ko tetahi wahine, he wairua ngoikore tona, kotahi tekau ma waru nga tau, piko tonu, kihai rawa i ahei te whakatika ake.
Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.
A, no te kitenga o Ihu i a ia, ka karanga atu ki a ia, ka mea ki a ia, E kui, ka oti tou ngoikore te whakamatara.
Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao ianao.
Na whakapakia iho e ia ona ringa ki a ia: a kihai i aha kua tika, whakakororia ana i te Atua.
Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra.
Na, he riri nona mo Ihu i whakaora i te hapati, ka korero te rangatira o te whare karakia, ka mea ki te mano, E ono nga ra e tika ai te tangata te mahi: hei reira koutou haere mai ai kia whakaorangia; kauaka i te hapati.
Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin'izany, fa tsy amin'ny andro Sabata.
Na ka whakahoki te Ariki ki a ia, ka mea, E nga tangata tinihanga, e kore ianei tenei tangata, tenei tangata o koutou e wewete i tana kau i te hapati, i tana kaihe ranei, ka arahi atu ai i te turanga ki te whakainu?
Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano?
Kahore ranei tenei wahine, he tamahine nei na Aperahama, i herea nei e hatana i enei tau tekau ma waru, e tika kia wetekina i tona here i te ra hapati?
Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va?
A, no ka korerotia enei mea e ia, ka whakama katoa te hunga e whakahe na ki a ia: a hari katoa te mano ki nga mea kororia katoa i meinga e ia.
Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
Na ka mea ia, He rite te rangatiratanga o te Atua ki te aha? a me whakarite e ahau ki te aha?
Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan'Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy?
He rite ki te pua nani, i kawea e te tangata, i ruia ki tana kari; a ka tupu, ka whakarakau; no ka noho nga manu o te rangi ki ona manga.
Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain'olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin'ny rantsany.
A i mea ano ia, Me whakarite e ahau te rangatiratanga o te Atua ki te aha?
Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra?
He rite ki te rewena i tangohia e tetahi wahine, a whaongia ana ki roto ki nga mehua paraoa e toru, no ka rewenatia katoa.
Tahaka ny masirasira izy, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra.
A ka haereerea e ia nga pa, nga kainga, whakaako ai, me te ahu tonu ki Hiruharama.
Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema.
Na ka mea tetahi ki a ia, E te Ariki, he torutoru koia te hunga e ora? Na ko tana meatanga ki a ratou,
Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin'ny olona:
Kia kaha te tohe ki te tomo ma te kuwaha kuiti: ko taku kupu hoki tenei ki a koutou, he tokomaha e whai ki te tomo, a e kore e taea.
Miseseha hiditra amin'ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.
Kia whakatika kau te tangata i te whare, kia tutakina te tatau, katahi koutou ka anga ka tu i waho, ka patuki ki te tatau, ka mea, E te Ariki, uakina ki a matou; na ka whakahoki ia, ka mea ki a koutou, Kahore ahau i mohio ki a koutou, no hea ran ei;
Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
Ko reira koutou timata ai te mea, Kua kai matou, kua inu i tou aroaro, i whakaako ano koe i o matou huarahi.
ary amin'izay ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao.
A ka ki ano ia, Ka mea atu ahau ki a koutou, kahore ahau i matau ki a koutou, no hea ranei; mawehe atu i a ahau, e nga kaimahi katoa i te kino.
Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka.
Ko te wa tena o te tangi, o te tetea o nga niho, ina kite koutou i a Aperahama, i a Ihaka, i a Hakopa, i nga poropiti katoa, kei te rangatiratanga o te Atua, a ko koutou kua maka ki waho.
Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.
A ka haere mai ratou i te rawhiti, i te hauauru, i te hauraro, i te tonga, ka noho ki te rangatiratanga o te Atua.
Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
Na, tera etahi o muri e meinga ki mua, me etahi o mua ki muri.
Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.
I taua haora ano ka tae mai etahi parihi, ka mea ki a ia, haere, whakarerea a konei: e hiahia ana hoki a Herora kia whakamatea koe.
Tamin'izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda.
Ka mea ia ki a ratou, Haere, mea atu ki taua pokiha, Na, tenei ahau te pei rewera nei, te mahi nei i te mahi whakaora aianei, apopo, a i te toru o nga ra ka oti taku.
Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin'izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko.
Otiia me haereere ahau aianei, apopo, a tahi ra: e kore hoki e ahei kia mate he poropiti i waho o Hiruharama.
Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
E Hiruharama, e Hiruharama, e whakamate nei i nga poropiti, e aki nei ki te kamaka i te hunga e tonoa ana ki a koe; ano te tini o aku meatanga kia whakaminea au tamariki, kia peratia me te heihei e whakamine nei i ana pi ki raro ki ona parirau, a kihai koutou i pai!
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!
Na, ka mahue atu ki a koutou to koutou whare kia takoto noa ana: he pono taku e mea nei ki a koutou, E kore koutou e kite i ahau, kia tae mai ra ano te ra e mea ai koutou, Ka whakapaingia ia e haere mai ana i runga i te ingoa o te Ariki.
Indro, avela ho anareo ny tranonareo. ary lazaiko aminareo: Tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118. 26).