Leviticus 4

I korero ano a Ihowa ki a Mohi, i mea,
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
Korero ki nga tama a Iharaira, mea atu, Ki te pohehe tetahi tangata, a ka hara ki tetahi o nga mea i whakahaua e Ihowa kia kaua e meatia, a ka mea i tetahi o aua mea:
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ireny:
Ki te hara te tohunga i whakawahia, e tau ai he he ki runga ki te iwi; na me whakahere e ia ki a Ihowa mo tona hara i hara ai ia tetahi puru, hei te kuao kohakore, hei whakahere hara.
raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah.
Na me kawe e ia te puru ki te whatitoka o te tapenakara o te whakaminenga, ki te aroaro o Ihowa; a ka popoki i tona ringa ki te matenga o te puru, ka patu ai te puru ki te aroaro o Ihowa.
Ary hitondra ny vantotr'ombilahy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan'i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izy ka hamono azy eo anatrehan'i Jehovah.
Na me tango e te tohunga i whakawahia tetahi wahi o nga toto o te puru, a ka kawe ki te tapenakara o te whakaminenga:
Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana;
A ka tou te tohunga i tona maihao ki te toto, a kia whitu ana tauhiuhinga i te toto ki te aroaro o Ihowa, ki mua o te arai o te wahi tapu.
ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony eo amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny efitra lamba ao amin'ny fitoerana masina;
Me pani ano e te tohunga tetahi wahi o nga toto ki nga haona o te aata whakakakara reka, ki te aroaro o Ihowa, ki tera i te tapenakara o te whakaminenga; ka riringi ai i nga toto katoa o te puru ki te turanga o te aata mo te tahunga tinana, ki te ra i te whatitoka o te tapenakara o te whakaminenga.
ary hotentenan'ny mpisorona rà ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah, izay ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny rà sisa rehetra avy amin'ny vantotr'ombilahy dia haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
A me tango e ia nga ngako katoa o te puru whakahere hara; te ngako e whiwhiwhiwhi ana ki nga whekau, me nga ngako katoa o nga whekau,
Ary halainy avokoa ny saborany rehetra amin'ny vantotr'ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,
Me nga whatukuhu e rua, me to reira ngako, tera i te hope, me te taupa o te ate, me nga whatukuhu, me tango tera e ia,
ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe;'hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany,
Kia rite ki te tangohanga o to te puru o te patunga mo te pai: a me tahu e te tohunga ki runga ki te aata mo te tahunga tinana.
tahaka ny fanalana azy amin'ny omby izay atao fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
Ko te hiako ia o te puru, ko ona kikokiko katoa, ko tona pane, ko ona waewae, ko ona whekau, me tona paru,
Fa ny hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny henany rehetra mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny tain-drorohany,
Ara, ko te puru katoa hoki, me kawe e ia ki waho o te puni, ki tetahi wahi pokekore, ki te wahi e ringihia ai nga pungarehu, ka tahu ai ki te rakau ki te ahi: hei te ringihanga pungarehu tahu ai.
dia ny tenan'ny vantotr'ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan'ny toby ho amin'izay fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin'ny kitay amin'ny afo izy; eo amin'ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.
A ki te pohehe te whakaminenga katoa o Iharaira, a ka hara, a ka ngaro taua mea i nga kanohi o te whakaminenga, a ka tika ke i tetahi o a ratou mahi, he mea e kore e tika kia meatia, a ka whai hara ratou;
Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan'ny mason'ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao izy ka meloka,
A ka kitea te hara i hara ai ratou, katahi ka whakaherea e te whakaminenga tetahi puru kuao mo te hara, me kawe hoki ki mua o te tapenakara o te whakaminenga.
rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotr'ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana.
Ka popoki ai nga ringa o nga kaumatua o te whakaminenga ki te pane o te puru ki te aroaro o Ihowa: a hei te aroaro o Ihowa patu ai i te puru.
Ary ny loholon'ny fiangonana hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny vantotr'ombilahy dia hovonoina eo anatrehan'i Jehovah.
A ma te tohunga i whakawahia e kawe tetahi wahi o nga toto o te puru ki te tapenakara o te whakaminenga:
Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana,
Ka tou ai te tohunga i tona maihao ki te toto, a kia whitu ana tauhiuhinga ki te aroaro o Ihowa ki mua o te arai.
ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, dia eo anoloan'ny efitra lamba.
Me pani ano e ia tetahi wahi o te toto ki nga haona o te aata i te aroaro o Ihowa, ki tera i te tapenakara o te whakaminenga, ka riringi ai i nga toto katoa ki te turanga o te aata tahunga tinana, ki tera i te whatitoka o te tapenakara o te whak aminenga.
Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana.
Me tango ano i ia ona ngako katoa, ka tahu ai ki runga ki te aata.
Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara.
Ko tana tena e mea ai ki te puru; kia rite ki tana i mea ai ki te puru whakahere hara, kia pera tana meatanga ki tenei: a me mea e te tohunga he whakamarie mo ratou, a ka murua to ratou hara.
Ary ny vantotr'ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny vantotr'ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an'ny olona, dia havela ny helony.
A me kawe e ia te puru ki waho o te puni, ka tahu, ka pera ano me ia i tahu i te puru tuatahi: ko te whakahere hara tena mo te whakaminenga.
Ary ny vantotr'ombilahy dia havoakany ho eny ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr'ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an'ny fiangonana izany.
Ki te hara tetahi rangatira, a ka mahi i runga i te pohehe i tetahi o nga mea i whakahaua e Ihowa, e tona Atua, kia kaua e mahia, a ka whai hara,
Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah Andriamaniny amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,
Ki te mohiotia e ia tona hara i hara ai, me kawe tana whakahere, he koati, hei te toa, hei te mea kohakore:
ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osilahy tsy misy kilema ho fanatiny izy;
A ka popoki tona ringa ki runga ki te matenga o te koati, ka patu ai ki te wahi e patua nei te tahunga tinana ki te aroaro o Ihowa: he whakahere hara tena.
ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny osilahy izy, dia hamono azy eo amin'ny famenoana ny fanatitra dorana eo anatrehan'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
A me tango e te tohunga tetahi wahi o te toto o te whakahere hara ki tona maihao, ka pani ai ki nga haona o te aata tahunga tinana, me riringi ano ona toto ki te turanga o te aata tahunga tinana.
Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia haidiny eo am-bodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;
Na me tahu e ia ona ngako katoa ki te aata, me pera me te ngako o nga patunga mo te pai: a ka whakamarie te tohunga mona, mo tona hara, a ka murua.
ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, tahaka ny saboran'ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony.
A ki te pohehe tetahi tangata noa atu, a ka hara, nona i mea i tetahi mea e tika ke ana i tetahi o nga whakahau a Ihowa, he mea e kore e tika kia meatia, a ka whai hara;
Ary raha misy amin'ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao ka meloka,
Ki te mohiotia e ia tona hara i hara ai, me kawe e ia tana whakahere, he koati, he uha, he kohakore, mo tona hara i hara ai.
ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy kilema ho fanatiny izy noho'ny fahotany izay nataony.
A ka popoki tona ringa ki te matenga o te whakahere hara, ka patu ai i te whakahere hara ki te wahi mo te tahunga tinana.
Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin'ny fitoeran'ny fanatitra dorana.
Na ka tango te tohunga i tetahi wahi o ona toto ki tona maihao, ka pani ai ki nga haona o te aata tahunga tinana, ka riringi ai i ona toto katoa ki te turanga o te aata.
Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.
Me tango ano e ia ona ngako katoa, me pera me te ngako e tangohia ana i nga patunga mo te pai: a me tahu e te tohunga ki runga ki te aata hei kakara reka ki a Ihowa; na ka whakamarie te tohunga mona, a ka murua tona.
Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony.
A ki te mea he reme tana whakahere e kawea ana e ia mo te hara, me kawe e ia hei te uha, hei te mea kohakore.
Ary raha zanak'ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny;
Na ka popoki tona ringa ki te matenga o te whakahere hara, a ka patua hei whakahere hara ki te wahi e patua nei e ratou te tahunga tinana.
ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana.
Na me tango e te tohunga tetahi wahi o te toto o te whakahere hara ki tona maihao, ka pani ai ki nga haona o te aata tahunga tinana, me riringi ano ona toto katoa ki te turanga o te aata:
Ary hangalan'ny mpisorona amin'ny fanondrony ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin'ny alitara.
Me tango ano e ia ona ngako katoa, kia rite ki te tangohanga o te ngako o te reme o nga patunga mo te pai; ka tahu ai e te tohunga ki runga ki te aata, ki runga ki nga whakahere ahi ki a Ihowa; na ka whakamarie te tohunga mo tona hara i hara ai, a ka murua.
Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran'ny zanak'ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara, ambonin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.