Judges 6

Na ka mahi kino nga tamariki a Iharaira i te tirohanga a Ihowa, a tukua ana ratou e Ihowa ki te ringa o Miriana e whitu nga tau.
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ka dia natolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Midiana fito taona izy;
A nui atu te kaha o te ringa o Miriana i to Iharaira: a na Miriana i hanga ai e nga tamariki a Iharaira nga rua i nga maunga mo ratou, me nga ana, me nga pa taiepa.
ary ny tanan'ny Midiana dia nahery tamin'ny Isiraely, ka ny tahony ny Midiana no nanamboaran'ny Zanak'Isiraely ireo fierena any an-tendrombohitra sy ireo zohy mbamin'ny fiarovana.
Na ka oti te mahi whakato a Iharaira, ka haere ake nga Miriani ratou ko nga Amareki, me nga tangata o te rawhiti; ka haere ake ki te whakaeke i a ratou.
Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy.
Whakapaea iho e ratou, a moti ake i a ratou nga hua o te whenua, a tae noa koe ki Kaha, kihai hoki i mahue tetahi oranga mo Iharaira, kahore he hipi, he kau, he kaihe ranei.
Dia nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny tany hatrany akaikin'i Gaza; ary tsy nisy zavatra navelany hiveloman'ny Isiraely, na ondry aman'osy, na omby, na boriky;
I whakaeke mai hoki ratou me a ratou kararehe, i haere mai me o ratou teneti; koia ano kei nga mawhitiwhiti te maha; e kore hoki e taea te tatau ratou me a ratou kamera: na haere mai ana ratou ki te whenua whakangaro ai.
fa niakatra izy nitondra ny omby aman'ondriny sy ny lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony, ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; dia niditra tamin'ny tany izy handrava azy
Na kua rawakore noa iho a Iharaira i a Miriana; a ka tangi nga tamariki a Iharaira ki a Ihowa.
Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin'i Jehovah izy.
A, no te tangihanga o nga tamariki a Iharaira ki a Ihowa i te mahi a Miriana,
Ary raha nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely noho ny Midiana,
Ka tono tangata a Ihowa ki nga tamariki a Iharaira, he poropiti, hei mea ki a ratou, Ko te kupu tenei a Ihowa, a te Atua o Iharaira, Naku koutou i kawe mai ki runga nei i Ihipa; naku hoki koutou i whakaputa mai i te whare pononga;
Jehovah dia naniraka mpaminany anankiray ho any amin'ny zanak'Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny trano nahandevozana
Naku koutou i whakaora i te ringa o nga Ihipiana, i te ringa hoki o o koutou kaitukino katoa; a peia atu ana ratou e ahau i to koutou aroaro, hoatu ana hoki e ahau to ratou whenua ki a koutou.
ary namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny tànan'izay rehetra nampahory anareo, dia nandroaka ireny teo anoloanareo Aho, ka nomeko anareo ny taniny;
I mea ano ahau ki a koutou, Ko Ihowa ahau, ko to koutou Atua; kaua e wehingia nga atua o nga Amori no ratou nei te whenua e noho na koutou: heoi kahore koutou i rongo ki toku reo.
ary hoy Izaho taminareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amorita, izay tompon'ny tany onenanareo; nefa tsy nihaino ny feoko ianareo.
Na ka haere mai te anahera a Ihowa, a noho ana i raro i tetahi oki i Opora, he rakau na Ioaha Apieteri: i te patu witi hoki tana tama, a Kiriona ki te poka waina, he mea kia toe ai i nga Miriani.
Dia tonga Ilay Anjelin'i Jehovah ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta teo Ofra, izay an'i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin'ny fantàka teo anilan'ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin'ny Midiana.
Na ka puta te anahera a Ihowa ki a ia, ka mea ki a ia, Kei a koe a Ihowa, e te tangata marohirohi.
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery.
Na ka mea a Kiriona ki a ia, Aue, e toku Ariki, me i a matou a Ihowa, na te aha i pono mai ai ki a matou enei mea katoa? kei hea hoki ana merekara i korero mai ai o matou matua ki a matou, i mea ai, Kahore ianei a Ihowa i kawe mai i a tatou i Ih ipa? na kua whakarere nei a Ihowa i a matou, kua tukua ano matou ki te ringa o Miriana.
Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin'izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan'ny Midiana.
Na ka tahuri atu a Ihowa ki a ia, ka mea, Haere i runga i tenei kaha ou, whakaorangia hoki a Iharaira i te ringa o Miriana: kahore ianei ahau i tono i a koe?
Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin'ny tanan'ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?
Na ka mea tera ki a ia, Aue, e toku Ariki, ma te aha ahau e whakaora ai i a Iharaira? titiro, noku te hapu rawakore i roto i a Manahi, ko te iti rawa hoki ahau i roto i te whare o toku papa.
Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin'ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'ny raiko.
Na ka mea a Ihowa ki a ia, Ko ahau ra hei hoa mou; a ka patua e koe nga Miriani, me te mea he tangata kotahi.
Dia hoy Jehovah taminy: Homba anao tokoa Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja ianao.
Ano ra ko ia ki a ia, Na ki te mea kua manakohia ahau e koe, tena ra, whakaaturia mai he tohu ki ahau ko koe tenei e korero mai nei ki ahau.
Dia hoy izy taminy: Masina Hianao, raha mahita fitia eto imasonao ary aho, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny amiko.
Kaua ra e haere atu i konei, kia tae mai ra ano ahau ki a koe ki te kawe mai i taku whakahere, kia whakatakotoria ra ano e ahau ki tou aroaro. Na ko tana meatanga, Ka noho ahau, kia hoki mai ra ano koe.
Masina Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao.
Katahi ka haere a Kiriona ki roto, a taka ana e ia tetahi kuao koati, me tetahi epa paraoa hei keke rewenakore: ko te kikokiko i whaowhina e ia ki te kete, ko te hupa i ringihia ki te pata, na kawea ana ki waho, ki a ia ki raro i te oki; a tapae a atu ana ki a ia.
Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy.
Na ka mea te anahera a te Atua ki a ia, Tangohia te kikokiko me nga keke rewenakore, ka whakatakoto ai ki runga ki tenei kamaka, ka riringi ai hoki i te hupa. Na pera ana ia.
Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin'ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany.
Katahi ka whatorona atu e te anahera a Ihowa te pito o te tokotoko i tona ringa, a pa ana ki te kikokiko, ki nga keke rewenakore; na ko te putanga ake o te ahi i roto i te kamaka, pau ake te kikokiko me nga keke rewenakore. Na kua riro atu te an ahera a Ihowa i tana tirohanga.
Ary naroson'Ilay Anjelin'i Jehovah ny lohan'ny tehina izay teny an-tànany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia lasa niala teo imasony.
A, no te kitenga o Kiriona ko te anahera ia a Ihowa, ka mea a Kiriona, Aue, e te Ariki, e Ihowa! moku hoki i kite i te anahera a Ihowa, he kanohi, he kanohi.
Dia hitan'i Gideona fa Anjelin'i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nifanatrika aho.
Na ka mea a Ihowa ki a ia, Kia tau te rangimarie ki a koe; kaua e wehi: e kore koe e mate.
Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory.
Na ka hanga e Kiriona tetahi aata ma Ihowa ki reira, a huaina iho e ia ko Ihowaharomo: kei Opora o nga Apieteri na ano taua mea a taea noatia tenei ra.
Ary Gideona nanorina alitara teo ho an'i Jehovah-saloma; mbola ao Ofran'ny Abiezrita izany mandraka androany.
A i taua po ano ka mea a Ihowa ki a ia, Tikina te puru a tou papa, ara te rua o nga puru, e whitu nei ona tau, ka wawahi ai i te aata a Paara, i tera a tou papa: me tua hoki te motu nehenehe i tona taha.
Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany;
Me hanga hoki ki tona tikanga ano he aata ma Ihowa ma tou Atua ki runga ki tenei kamaka, ka mau ai ki te tuarua o nga puru, ka whakaeke hei tahunga tinana ki runga ki nga rakau o te nehenehe e tuaina e koe.
dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.
Na ka tango a Kiriona i etahi tangata kotahi tekau no ana pononga, a rite tonu tana i mea ai ki ta Ihowa i korero ai ki a ia: na i wehi ia i te whare o tona papa, i nga tangata ano hoki o te pa, i kore ai e meatia e ia i te awatea; koia i meatia ai e ia i te po.
Ary Gideona naka folo lahy tamin'ny mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin'ny antoandro, fa tamin'ny alina no nanaovany azy.
Na, i te marangatanga ake o nga tangata o te pa i te ata, rere! kua wahia iho te aata a Paara, kua oti te motu nehenehe i tona taha te tua, kua oti hoki te tuarua o nga puru te whakaeke ki te aata i hanga ra.
Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka indro, efa rava ny alitaran'i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin'ny alitara izay natao,
Na ka mea tetahi ki tetahi, Na wai tenei mahi? A ka rapu ratou, ka ui, na ka korerotia, I meatia tenei e Kiriona tama a Ioaha.
dia nifanontany hoe izy: Iza re no nanao izany zavatra izany e? Ary raha nifanontany sy nifamoaka teo izy, dia hoy izy: Gideona, zanak'i Joasy, no nanao izany zavatra izany.
Na ka mea nga tangata o te pa ki a Ioaha, Whakaputaina mai tau tama ki waho, kia whakamatea; mona i wahi i te aata a Paara, i tua hoki i te nehenehe i tona taha.
Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran'i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.
Na ka mea a Ioaha ki te hunga katoa e tu mai ana ki a ia, Ko koutou ranei hei tohe i ta Paara? Ko koutou ranei hei whakaora i a ia? Ki te tohe tetahi mona, me whakamate ia i te ata nei ano. Ki te mea he atua ia, mana ano ia e tohe mo tana aata k ua wahia nei.
Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an'i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an'i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.
Na huaina iho ia e ia taua ra, Ko Ierupaara; i mea hoki, Ma Paara ano e tohe ki a ia mo tana aata kua wahia nei.
Ary tamin'izany andro izany ny anaran'ny Gideona dia nataony hoe Jerobala, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria noravany ny alitarany.
Na ka huihui tahi nga Miriani katoa ratou ko nga Amareki, ko nga tangata o te rawhiti, a ka whiti, ka noho hoki ki te raorao o Ietereere.
Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela.
Na kua tau te wairua o Ihowa ki runga ki a Kiriona, a whakatangihia ana e ia te tetere; a huihuia ana a Apietere ki te aru i a ia.
Ary notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita.
I tono karere ano ia puta noa i a Manahi, a ka huihuia ano ratou ki a ia: i tono karere ano ia ki a Ahera, ki a Hepurona, ki a Napatari; a ka haere ake ratou ki te whakatau i a ratou.
Ary naniraka olona nankany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo.
Na ka mea a Kiriona ki te Atua, Ki te mea noku te ringa e whakaorangia ai e koe a Iharaira, pera me tau i korero mai ra,
Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao,
Na ka waiho e ahau te huruhuru hipi ki runga ki te patunga witi; a ki te mea kei te huruhuru anake te tomairangi, a he maroke a runga katoa o te whenua, katahi ahau ka mohio noku te ringa e whakaorangia ai e koe a Iharaira, ka rite ano ki tau i korero ra.
indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao.
A pera tonu: i maranga wawe hoki ia i te ata, a ka romia e ia te huruhuru, a tauia ana te tomairangi i roto i te huruhuru, ki tonu te peihana i te wai.
Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'ando eran'ny lovia.
I mea ano a Kiriona ki te Atua, Kei mura tou riri ki ahau, a heoi ano he korero maku ko tenei: tena, kia kotahi ake whakamatau maku i te huruhuru, a ka kati. Kia maroke ko te huruhuru anake, a kia whai tomairangi a runga i te whenua katoa.
Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando.
A i peratia e te Atua i taua po: ko te huruhuru anake i maroke, a he tomairangi i te whenua katoa.
Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.