Judges 4

A, ka mate a Ehuru, ka mahi kino ano nga tamariki a Iharaira i te tirohanga a Ihowa.
Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.
Na ka hokona atu ratou e Ihowa ki te ringa o Iapini kingi o Kanaana, ko te kingi hoki ia o Hatoro, ko Hihera hoki te rangatira o tana ope; i Harohete ano hoki o nga tauiwi tona nohoanga.
Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan'ny Jentilisa, no komandin'ny miaramilany.
Na ka tangi nga tamariki a Iharaira ki a Ihowa: e iwa rau nei hoki ana hariata rino, a e rua tekau nga tau i tukinotia rawatia ai e ia nga tamariki a Iharaira.
Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak'Isiraely roa-polo taona izy.
A ko Tepora poropiti, wahine a Rapiroto, ko ia te kaiwhakarite o Iharaira i taua wa.
Ary Debora mpaminanivavy, vadin'i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin'izany andro izany.
A ko tona nohoanga kei raro i te nikau a Tepora i te takiwa o Rama, o Peteere, i te whenua pukepuke o Eparaima: na ka haere nga tamariki a Iharaira ki runga, ki a ia kia whakawakia.
Ary izy nipetraka teo ambanin'ny hazo rofian'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy Betela, tany amin'ny tany havoan'i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak'Isiraely hatsaraina.
Na ka tono tangata ia hei karanga i a Paraka tama a Apionoama i Kerehe Napatari, a ka mea ki a ia, Kihai ianei a Ihowa, te Atua o Iharaira i whakahau, Haere whakatata atu ki Maunga Taporo, mauria hoki hei hoa mou kia tekau mano tangata o nga tama riki a Napatari, o nga tamariki hoki a Hepurona?
Ary Debora naniraka ka niantso an'i Baraka, zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
A maku e kukume atu ki a koe ki te awa, ki Kihona a Hihera rangatira o te ope a Iapini, me ana hariata, me ona mano; ka hoatu ano hoki e ahau ki tou ringa.
Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron'ny ony Kisona, Sisera, komandin'ny miaramilan'i Jabina, mbamin'ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.
Na ka mea a Paraka ki a ia, Ki te haere tahi koe i ahau, ka haere ahau; ki te kahore ia koe e haere tahi i ahau, e kore ahau e haere.
Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.
A ka mea ia, Ae ra, me haere tahi taua: otiia e kore koe e whai kororia i te ara ka haere nei koe; ta te mea ka hokona atu e Ihowa a Hihera ki roto ki te ringa o te wahine. Na ka whakatika a Tepora, a haere tahi ana me Paraka ki Kerehe.
Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan'i Jehovah an'i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin'i Baraka hankany Kadesy
Katahi ka karangarangatia a Hepurona raua ko Napatari e Paraka ki Kerehe; a kotahi tekau mano nga tangata i haere i raro i ona waewae: i haere tahi ano hoki a Tepora i a ia.
Ary nantsoin'i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy.
Na kua wehe atu a Hepere te Keni i roto i nga Keni, i nga tamariki ano a Hopapa hungawai o Mohi; a tae noa atu tana whakaturanga teneti ki te oki i Taanaimi, ki tera i Kerehe.
Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin'ny Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba, zaodahin'i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan'i Kadesy.
A ka korerotia e ratou ki a Hihera, kua riro a Paraka tama a Apioama ki runga ki Maunga Taporo;
Ary nisy nilaza tamin'i Sisera fa Baraka, zanak'i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.
Ka karangarangatia e Hihera ana hariata katoa, e iwa rau, he hariata rino, me tona nuinga katoa, i Harohete o nga tauiwi ki te awa, ki Kihona.
Dia nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny ony Kisona.
Ka mea hoki a Tepora ki a Paraka, Whakatika, ko te ra hoki tenei e tukua ai e Ihowa a Hihera ki tou ringa; kahore ianei a Ihowa i haere atu i mua i a koe? Na ko te haerenga iho o Paraka i runga i Maunga Taporo, kotahi tekau mano hoki nga tangata ki te whai i a ia.
Ary hoy Debora tamin'i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.
A meinga ana e Ihowa a Hihera kia whati, me ana hariata katoa, me tana ope katoa, i te mata o te hoari i te aroaro o Paraka. Na ka marere iho a Hihera i runga i tana hariata, a rere a waewae ana.
Dia nampifanaritahin'i Jehovah tamin'ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan'i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin'ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra.
Na ka whaia nga hariata me te ope e Paraka a tae noa ki Harohete o nga tauiwi: a hinga ana te ope katoa a Hihera i te mata o te hoari; kihai hoki tetahi i toe.
Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Ko Hihera ia rere a waewae ana ki te teneti o Taere wahine a Hepere Keni: he rongo mau hoki ta Iapini kingi o Hatoro ratou ko te whare o Hepere, o te Keni.
Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan'i Hazora, sy ny mpianakavin'i Hebera Kenita.
Na ka puta a Taere ki te whakatau i a Hihera, ka mea ki a ia, Peka mai, e toku ariki, peka mai ki ahau; kaua e wehi. Katahi ia ka peka atu ki a ia ki te teneti, a ka hipokina e ia ki te koroka.
Dia nivoaka Jaela hitsena an'i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra.
Ka mea atu ia ki te wahine, Homai koa he wai inu moku, kia iti nei; e matewai ana hoki ahau. Katahi ka wetekina e ia te koki waiu, a whakainumia ana ia, hipokina atu ana hoki.
Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy.
Na ka mea tera ki a ia, E tu ki te kuwaha o te teneti, a ki te haere mai he tangata ki te ui ki a koe, ki te mea, He tangata ranei kei konei? ka mea atu koe, Kahore.
Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran'ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia.
Katahi ka tikina e Taere wahine a Hepere tetahi titi o te teneti, a ka mau tona ringa ki te hama, na ka haere toropuku atu ki a ia, heoi patua iho e ia te titi ki tona rahirahinga, a ngoto tonu atu ki te whenua: i parangia hoki ia e te moe, i ng enge. Na, ko tona hemonga, kua mate.
Dia naka tsima-day Jaela, vadin'i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin'ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy.
Na ko te whainga a Paraka i a Hihera; a ka puta atu a Taere ki te whakatau i a ia, ka mea ki a ia, Haere mai, a maku e whakaatu ki a koe tau tangata e rapu na. A, i tona haerenga atu ki a ia, na ko Hihera e takoto ana, kua mate, me te titi i ton a rahirahinga.
Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an'i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin'i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin'ny fihirifany.
Heoi hinga ana a Iapini kingi o Kanaana i te Atua i taua ra i te aroaro o nga tamariki a Iharaira.
Dia naetrin'Andriamanitra teo anoloan'ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany Jabina, mpanjakan'i Kanana.
Na ka kaha haere tonu te ringa o nga tamariki a Iharaira ki a Iapini kingi o Kanaana, a whakangaromia noatia e ratou a Iapini kingi o Kanaana.
Ary ny tanan'ny Zanak'Isiraely nihahery tamin'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringany azy.