Judges 21

Na kua puaki noa ake to oati a nga tangata o Iharaira i Mihipa, i mea ratou, Kaua tetahi tangata o tatou e hoatu i tana tamahine hei wahine ma Pineamine.
Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin'ny Benjamita.
Na ka haere te iwi ki Peteere, a noho ana i reira i te aroaro o te Atua a ahiahi noa; na rahi noa atu o ratou reo, he nui te tangi.
Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan'Andriamanitra mandra-paharivan'ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy
I mea hoki ratou, Na te aha, e Ihowa, e te Atua o Iharaira, i puta ake ai tenei i roto i a Iharaira; i ngaro ai tetahi iwi i tenei ra i roto i a Iharaira?
nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin'ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin'ny Isiraely?
Na i te ata ka maranga wawe te iwi, a hanga ana he aata e ratou, a whakaekea ana he tahunga tinana, he whakahere mo te pai.
Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
Na ka mea nga tama a Iharaira, Ko wai o nga iwi katoa o Iharaira kahore i tae mai i roto i te whakaminenga ki a Ihowa? Kua takoto hoki he oati nui mo te tangata e kore e haere ki a Ihowa ki Mihipa: i mea ratou, Ka whakamatea rawatia.
Ary hoy ny Zanak'Isiraely: Iza amin'ny ferenen'Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin'ny fiangonana hanatona an'i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin'izay tsy niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.
A koingo tonu nga tama a Iharaira ki to ratou teina, ki a Pineamine; i mea, Kua hautopea atu tetahi iwi i tenei ra i roto i a Iharaira.
Ary ny Zanak'Isiraely nanenina ny amin'i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin'ny Isiraely ankehitriny.
Me aha tatou ki etahi wahine ma nga mea o ratou i mahue; kua oatitia hoki a Ihowa e tatau e kore a tatou tamahine e hoatu hei wahine ma ratou?
Ahoana no hataontsika amin'ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin'i Jehovah tsy hanome vady azy amin'ny zanakavavintsika?
Na ka mea ano ratou, Ko tehea o nga iwi o Iharaira kahore nei i tae mai ki a Ihowa ki Mihipa? Na kahore tetahi tangata o Iapehe Kireara i haere ki te puni ki te whakaminenga.
Dia hoy izy: Iza amin'ny firenen'Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin'ny fiangonana.
I taua hoki te iwi, a kahore tetahi tangata i reira o nga tangata o Iapehe Kireara.
Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin'ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.
Na ka tono te huihui i etahi tangata ki reira, kotahi tekau ma rua mano, he hunga toa, a ka whakahau i a ratou, ka mea, Tikina patua nga tangata o Iapehe Kireara ki te mata o te hoari, me nga wahine me nga tamariki.
Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin'ny lelan-tsabatra mbamin'ny zaza amim-behivavy.
A ko tenei ta koutou e mea ai, Ko nga tane katoa, me nga wahine katoa i takoto ki te tane, me huna.
Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo.
A e wha rau nga kotiro i mau i a ratou i roto i nga tangata o Iapehe Kireara, he wahine kahore ano i mohio noa, ara i takoto ki te tane: na kawea ana e ratou ki te puni ki Hiro, ki tera i te whenua o Kanaana.
Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin'ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin'ny tany Kanana.
Katahi ka unga tangata te huihui katoa hei korero ki nga tama a Pineamine i te kamaka i Rimono, hei karanga ki a ratou, Kua mau te rongo.
Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin'ny taranak'i Benjamina, izay tao amin'ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.
Na ka hoki a Pineamine i taua wa; a ka hoatu ki a ratou nga wahine i whakaorangia e ratou i roto i nga wahine o Iapehe Kireara; otiia kihai ano i rato.
Dia niverina tamin'izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin'ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.
Na koingo tonu te iwi ki a Pineamine, no te mea kua wahia e Ihowa nga iwi o Iharaira.
Ary ny olona nanenina noho ny amin'i Benjamina, satria nisy nobangain'i Jehovah ny firenen'Isiraely.
Na ka mea nga kaumatua o te huihui, Me aha tatou ki etahi wahine ma nga mea i mahue, kua huna nei hoki nga wahine a Pineamine?
Dia hoy ny loholon'ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an'ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin'ny Benjamita?
I mea ano ratou, Kia whai kainga tupu nga morehu o Pineamine, kei moti rawa tetahi iwi i roto i a Iharaira.
Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin'ny Isiraely.
Otiia e kore e taea te hoatu e tatou a tatou tamahine hei wahine ma ratou; no te mea kua oati nga tama a Iharaira, kua mea, Kia kanga te tangata e hoatu ana i te wahine ki a Pineamine.
Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an'ny Benjamita.
Na ka mea ratou, Nana, he hakari tera ki a Ihowa i Hiro, i tenei tau, i tenei tau, i te taha ki te raki o Peteere, i te taha ki te rawhiti o te huarahi e tika atu ana i Peteere ki Hekeme, i te tonga o Repona.
Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an'i Jehovah any Silo, izay avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon'i Lebona.
Na ka whakahau atu ratou ki nga tama a Pineamine, ka mea, Haere ki nga mara waina whanga ai;
Ary nandidy ny taranak'i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin'ny tanim-boaloboka,
A e kite koutou, na, kua puta nga tamahine o Hiro ki te kanikani, na ka haere atu koutou i nga mara waina, ka hopu i tana wahine, i tana wahine, i roto i nga tamahine o Hiro, a ka haere ki te whenua o Pineamine.
ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin'ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin'ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin'ny tanin'ny Benjamina indray.
A ka tae mai o ratou matua, o ratou tungane ranei, ki a matou whakawa ai, ko reira matou mea ai ki a ratou, Kia atawhai ki a matou, ara ki a ratou: kihai hoki i riro i a matou he wahine ma tenei, ma tenei, o ratou i te mea e whawhai ana: ehara a no i te mea na koutou i hoatu i tenei wa, e he ai koutou.
Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin'ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.
Na pera ana nga tama a Pineamine, a tangohia ana e ratou etahi wahine i roto i te hunga i kanikani ra; rite tonu ki a ratou te tokomaha, he mea hopu na ratou: a haere ana, noho ana ki to ratou kainga tupu; kei te hanga i o ratou pa, nohoia iho e ratou.
Dia nanao izany ny taranak'i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin'ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin'ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.
Na ka turia atu i reira i taua wa e nga tama a Iharaira ki tona iwi, ki tona iwi, ki tona hapu, ki tona hapu; na haere ana ratou i reira ki tona kainga, ki tona kainga.
Dia samy nandeha niala teo ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany, samy ho any amin'ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin'ny lovany avy ny olona rehetra.
I aua ra kahore o Iharaira kingi, ko ta ratou i mea ai ko nga mea i tika ki te titiro a tenei, a tenei.
Tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.