Judges 2

Na ka haere ake te anahera a Ihowa i Kirikara ki Pokimi, a ka mea, Naku koutou i haere mai ai i Ihipa, naku hoki koutou i kawe mai ki te whenua i oati ai ahau ki o koutou matua; i mea ano ahau, E kore e taka taku kawenata ki a koutou.
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
Kaua ano koutou e whakarite kawenata ki nga tangata o tenei whenua; me pakaru e koutou a ratou aata. Heoi kihai nei koutou i rongo ki toku reo. He aha tenei mahi a koutou?
koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
Koia hoki ahau ka mea nei, E kore ahau e pei atu i a ratou i to koutou aroaro; a ka waiho ratou ano he tataramoa ki o koutou kaokao; ko o ratou atua hoki hei rore mo koutou.
Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
A, no te korerotanga a te anahera a Ihowa i enei kupu ki nga tamariki katoa a Iharaira, ka ara te reo o te iwi, ka tangi.
Ary nony niteny izany teny izany tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
Na huaina iho e ratou te ingoa o taua wahi ko Pokimi: i patu whakahere ano hoki ratou ma Ihowa ki reira.
Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an'i Jehovah.
Na, i ta Hohua tukunga i te iwi kia haere, ka haere nga tamariki a Iharaira ki tona wahi, ki tona wahi, ki te tango i te whenua.
Ary rehefa nampodin'i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin'ny lovany avy ny Zanak'Isiraely rehetra handova ny tany.
A i mahi te iwi ki a Ihowa i nga ra katoa o Hohua, i nga ra katoa ano o nga kaumatua i roa ake nei o ratou ra i o Hohua, i kite nei i nga mahi nunui katoa a Ihowa i meinga e ia mo Iharaira.
Ary nanompo an'i Jehovah ny vahoaka tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely.
Na ka mate a Hohua tama a Nunu, te pononga a Ihowa, kotahi rau kotahi tekau ona tau.
Ary maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
A tanumia iho ia e ratou ki te rohe o tona wahi, ki Timinataherehe, ki te whenua pukepuke o Eparaima, ki te taha ki te raki o Maunga Kaaha.
Dia nalevina tao anatin'ny fari-tanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
Na ka kohia ano hoki taua whakatupuranga katoa ki o ratou matua: a ka ara ake tetahi whakatupuranga ke i muri i a ratou, kihai nei i mohio ki a Ihowa, ki nga mahi ano hoki i mahia e ia mo Iharaira.
Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin'ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an'i Jehovah na ny asa efa nataony ho an'ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy.
Na ka mahi nga tamariki a Iharaira i te kino i te tirohanga a Ihowa, ka mahi hoki ki nga Paara.
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, fa nanompo ireo Bala
A whakarerea ake e ratou a Ihowa, te Atua o o ratou matua i whakaputa mai nei i a ratou i te whenua o Ihipa, a haere ana ki te whai i nga atua ke, i nga atua o nga iwi i tetahi taha, i tetahi taha o ratou, a koropiko ana ki a ratou, na ka mea ra tou i a Ihowa kia riri.
ka nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin'ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah.
Heoi whakarere ana ratou i a Ihowa, a mahi ana ki a Paara, ki te Ahataroto hoki.
Eny, nahafoy an'i Jehovah izy ka nanampo an'i Bala sy Astarta.
Na ka mura te riri o Ihowa ki a Iharaira, a tukua ana ratou e ia ki nga ringa o nga kaipahua hei pahua i a ratou, a hokona ana ratou e ia ki te ringa o o ratou hoariri i tetahi taha, i tetahi taha; kihai hoki i taea e ratou i muri iho te tu ake i te aroaro o o ratou hoariri.
Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka natolony teo an-tànan'ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan'ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan'ny fahavalony intsony.
I o ratou haerenga katoa, i runga i a ratou te ringa o Ihowa mo te kino; i rite hoki ki ta Ihowa i korero ai, ki ta Ihowa hoki i oati ai ki a ratou; na te taea to ratou raru.
Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan'i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain'i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.
I whakaara ake ano a Ihowa i etahi kaiwhakarite hei whakaora i a ratou i te ringa o o ratou kaipahua.
Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin'ny tànan'ireo namabo azy.
Heoi kihai ano ratou i whakarongo ki o ratou kaiwhakarite; na kei te puremu, kei te whai ki nga atua ke, kei te koropiko ki a ratou: hohoro tonu to ratou peka ke i te ara i haere ai o ratou matua, ara i te whakarongo ki nga whakahau a Ihowa; kih ai ratou i pera.
Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin'ny lalana izay nandehanan'ny razany nanaraka ny didin'i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.
A i nga wa i whakaara ake ai a Ihowa i nga kaiwhakarite mo ratou, na i te kaiwhakarite a Ihowa, a whakaorangia ake ratou e ia i te ringa o o ratou hoariri i nga ra katoa o te kaiwhakarite: i puta ke hoki te whakaaro o Ihowa i a ratou e aue ana i o ratou kaitukino, i o ratou kaiwhakatoi.
Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin'ny tanan'ny fahavalony tamin'ny andro rehetra niainan'izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin'ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.
A, no te matenga o te kaiwhakarite, ka hoki ratou ki muri, nui atu to ratou takanga i to o ratou matua; i haere hoki ki te whai i nga atua ke, mahi ai ki a ratou, koropiko ai ki a ratou; kihai i mutu a ratou mahi, me ta ratou tikanga pakeke.
Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon'ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tàmin'ny fanaony na tamin'ny lalana nanaovany ditra izy.
Na ka mura te riri o Ihowa ki a Iharaira, a ka mea ia, Na, kua takahia e tenei iwi taku kawenata i whakahaua e ahau ki o ratou matua; kihai ano i rongo ki toku reo;
Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
Na, e kore ano ahau e pei atu i tetahi tangata i mua i a ratou o nga iwi i mahue iho i a Hohua i tona matenga.
dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin'ny firenena izay tsy mbola resy hatramin'ny andro nahafatesan'i Josoa,
Kia ai ratou hei whakamatautau maku i a Iharaira, e mau ranei ki te ara o Ihowa haere ai; e rite ranei te mau ki ta o ratou matua, kahore ranei.
mba hizahako toetra ny Isiraely amin'ireny, na hitandrina ny lalan'i Jehovah ka handeha amin'izany araka izay nitandreman'ny razany izany izy, na tsia.
Na ka waiho era iwi e Ihowa, kihai hoki i hohoro te peia atu; kihai ano hoki i tukua ki te ringa o Hohua.
Dia navelan'i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan'i Josoa ireny.