Joshua 5

A, no te rongonga o nga kingi katoa o nga Amori, o era ki te taha ki te hauauru o Horano, me nga kingi katoa o nga Kanaani, o era i te moana, ki te whakamaroketanga a Ihowa i nga wai o Horano i te aroaro o nga tama a Iharaira a whiti noa matou, n a ka ngohe noa o ratou ngakau, kahore atu hoki o ratou wairua, i te wehi ki nga tama a Iharaira.
Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita any an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin'ny Kananita any amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan'i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak'Isiraely.
Na i taua wa ka mea a Ihowa ki a Hohua, Hanga etahi maripi kohatu mau, a ka tuarua i te kotinga o nga tama a Iharaira.
Tamin'izany andro izany no nilazan'i Jehovah tamin'i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak'Isiraely.
A hanga ana e Hohua etahi maripi kohatu, a kotia iho nga tama a Iharaira ki te pukepuke o nga kiri matamata.
Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak'Isiraely teo an-kavoana Haralota.
A ko te take tenei i kokoti ai a Hohua: ko te hunga katoa i puta mai i Ihipa, ko nga tane, ko nga tangata hapai patu, i mate ki te ara i te koraha, i muri i to ratou putanga mai i Ihipa.
Ary izao no anton'ny namoran'i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta.
Na ko te hunga katoa i puta mai he mea kokoti katoa: tena ko te hunga i whanau ki te ara i te koraha i to ratou putanga mai i Ihipa, kihai ena i kotia e ratou.
Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa.
E wha tekau hoki nga tau i haere ai nga tama a Iharaira i te koraha, a poto noa te hunga hapai puta katoa i puta mai i Ihipa, mo ratou kihai i rongo ki te reo o Ihowa: ko nga tangata hoki i oati nei a Ihowa ki a ratou, e kore e whakakitea ki a ra tou te whenua i oati ai a Ihowa ki o ratou matua kia homai e ia ki a tatou, te whenua hoki e rerengia ana e te waiu, e te honi.
Fa efa-polo taona no nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran'ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah izy; dia ireo no nianianan'i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
A, ko a ratou tamariki i whakaarahia ake e ia hei whakakapi mo ratou, ko ratou i kotia e Hohua: no te mea kahore o ratou kotinga; kahore nei hoki ratou i kotia i te huarahi.
Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.
A, no ka poto katoa nga tangata te kokoti e ratou, ka noho ratou ki te puni ki o ratou wahi a mahu noa.
Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin'ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany.
Na ka mea a Ihowa ki a Hohua, No tenei ra i hurihia atu ai e ahau te taunutanga o Ihipa i a koutou. Na reira i huaina ai te ingoa o taua wahi ko Kirikara a tae noa mai ki tenei ra.
Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan'i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka androany.
A i noho nga tama a Iharaira ki Kirikara; a i mahi ratou i te kapenga i te tekau ma wha o nga ra o te marama i te ahiahi, i nga mania o Heriko.
Ary ny Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay any Jeriko.
A, no te aonga ake i te kapenga, i kai ai ratou i te witi o te whenua, he keke kihai i rewenatia, me te witi pahuhu, no taua rangi pu ano.
Ary nony ampitson'ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin'izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.
A i whakamutua te mana i te aonga ake o te ra, i muri i ta ratou kainga i te witi ake o te whenua; kahore atu hoki he mana ma nga tama a Iharaira; heoti, kai ana ratou i nga hua o te whenua o Kanaana i taua tau.
Ary nitsahatra ny mana tamin'iny andro ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an'ny Zanak'Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin'izany taona izany.
A, i a Hohua i Heriko, na ka anga ake ona kanohi, ka titiro, na he tangata e tu mai ana i tona aroaro, ko tana hoari hoki i tona ringa, unu rawa: na ka haere atu a Hohua ki a ia, ka mea ki a ia, mo matou ranei koe, mo o matou hoariri ranei?
Ary nony teo akaikin'i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman'ny fahavalonay?
Ka mea ia, Kahore; engari he rangatira no te ope a Ihowa ahau i haere mai nei. Na ka tapapa a Hohua ki te whenua, ka koropiko, ka mea ki a ia, E pehea mai ana toku ariki ki tana pononga?
Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin'ny miaramilan'i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin'ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin'ny mpanomponao, Tompokolahy ?
A ka mea te rangatira o te ope a Ihowa ki a Hohua, Wetekina tou hu i tou waewae; he tapu hoki te wahi e tu na koe. A pera ana a Hohua.
Dia hoy Ilay Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany.