Joshua 24

Na ka whakaemia e Hohua nga iwi katoa o Iharaira ki Hekeme, a ka karangatia e ia nga kaumatua o Iharaira, o ratou ariki, o ratou kaiwhakawa, o ratou rangatira; a tu ana ratou i te aroaro o te Atua.
Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo.
Na ka mea a Hohua ki te iwi katoa, Ko te korero tenei a Ihowa, a te Atua o Iharaira, I noho o koutou matua i mua i tawahi o te awa, a Teraha matua o Aperahama, matua hoki o Nahora: i mahi ano hoki ki nga atua ke.
Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin'ny Ony no nonenan'ny razanareo tany aloha. dia Tera, rain'i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy.
Na tangohia ana e ahau to koutou matua, a Aperahama i tawahi o te awa, a arahina ana a puta noa i te whenua o Kanaana, a whakanuia ana tona uri e ahau; i hoatu hoki a Ihaka ki a ia.
Dia naka an'i Abrahama razanareo avy tany an-dafin'ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an'Isaka ho zanany.
A hoatu ana e ahau a Hakopa raua ko Ehau ki a Ihaka: a hoatu ana e ahau a Maunga Heira ki a Ehau, hei kainga; ko Hakopa ia ratou ko ana tama i heke ki Ihipa.
Ary Isaka koa dia nomeko an'i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seira; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta.
I tonoa ano e ahau a Mohi raua ko Arona, a patua iho e ahau a Ihipa, peratia ana me taku i mea ai i waenganui i a ratou: a muri iho ka whakaputaina mai koutou e ahau.
Dia naniraka an'i Mosesy sy Arona Aho ka namely an'i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho.
A whakaputaina mai ana e ahau o koutou matua i Ihipa: a ka tae koutou ki te moana; na ka whai mai nga Ihipiana i muri i o koutou matua ki te Moana Whero, me nga hariata, me nga hoia eke hoiho.
Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin'ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin'ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly.
A, e ta ratou karangatanga ki a Ihowa, tukua iho ana e ia he pouri ki waenganui o koutou, o nga Ihipiana, a kawea mai ana e ia te moana ki runga ki a ratou, taupokina ana ratou: a i kite o koutou kanohi i nga mea i mea ai ahau ki Ihipa: a he maha nga ra i noho ai koutou i te koraha.
Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana,sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.
Na kawea ana koutou e ahau ki te whenua o nga Amori, i noho ra i tawahi o Horano; a whawhai ana ratou ki a koutou: a tukua ana ratou e ahau ki o koutou ringa, na riro ana to ratou oneone i a koutou; a huna iho ratou e ahau i to koutou aroaro.
Ary nentiko ho any amin'ny tanin'ny Amorita, izay nonina tany an-dafin'i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
Na ka whakatika a Paraka tama a Tipora kingi o Moapa, kei te whawhai ki a Iharaira; a tikina ana e ia a Paraama tama a Peoro, hei kanga mo koutou:
Dia nitsangana Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ka niady tamin'ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an'i Balama, zanak'i Beora, izy hanozona anareo.
Otiia kihai ahau i pai kia rongo ki a Paraama; na, ko te manaakitanga i manaaki ai ia i a koutou: a whakaorangia ake koutou e ahau i tona ringa.
Fa tsy nety nihaino an'i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin'ny tànany Aho.
Na ka whiti mai koutou i Horano, a ka tae ki Heriko: a whawhai ana nga tangata o Heriko ki a koutou, nga Amori, nga Perihi, nga Kanaani, nga Hiti, nga Kirikahi, nga Hiwi, me nga Iepuhi; a tukua ana ratou e ahau ki to koutou ringa.
Ary nita an'i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin'ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.
A tonoa atu ana e ahau te horonete ki mua i a koutou, a nana ratou i pei i to koutou aroaro, ara nga kingi tokorua o nga Amori; ehara i te mea na tau hoari, na tau kopere ranei.
Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, fa tsy tamin'ny sabatrao. na tamin'ny tsipìkanao.
A hoatu ana e ahau ki a koutou he whenua kihai nei koutou i mahi, he pa hoki kihai i hanga e koutou, a noho ana koutou i reira; ehara i te mea whakato na koutou nga mara waina, mara oriwa ranei, e kainga nei e koutou.
Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin'ny tanim-boaloboka sy ny tanin'oliva izay tsy nataonareo ianareo.
Na kona kia wehi i a Ihowa, mahi atu hoki ki a ia i runga i te tika, i runga i te pono: whakarerea atu hoki nga atua i mahi na o koutou matua ki a ratou i tawahi o te awa, i Ihipa hoki; a mahi atu ki a Ihowa.
Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah.
A, ki te mea he kino ki to koutou whakaaro te mahi ki a Ihowa, ma koutou e whiriwhiri i tenei ra ko wai ta koutou e mahi ai; ki nga atua ranei i mahi ra o koutou matua ki a ratou i tawahi o te awa, ki nga atua ranei o nga Amori, e noho nei kouto u ki to ratou oneone: ko ahau ia me toku whare, ka mahi matou ki a Ihowa.
Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony,1 na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay.
Na ka whakautua e te iwi, ka mea, Aue, kia whakarere koia matou i a Ihowa, kia mahi ki nga atua ke!
Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an'i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.
Ko Ihowa hoki, ko to tatou Atua, nana tatou me o tatou matua i whakaputa mai: te whenua o Ihipa, i te whare pononga, nana hoki aua tohu nunui i mahi ki to tatou aroaro, a nana tatou i tiaki i te huarahi katoa i haere ra tatou i roto hoki i nga i wi katoa, i haere mai ra tatou ra waenganui i a ratou:
Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika.
Na Ihowa ano i pei i to tatou aroaro nga iwi katoa, ara nga Amori, i noho nei i tenei whenua: ina, ka mahi matou ki a Ihowa; ko ia hoki to tatou Atua.
Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.
Na ka mea a Hohua ki te iwi, E kore e ahei i a koutou te mahi ki a Ihowa: he Atua tapu hoki ia; he Atua hae ia; e kore e tukua noatia e ia a koutou mahi tutu, o koutou hara.
Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
Ki te whakarere koutou i a Ihowa, a ka mahi ki nga atua ke, na ka tahuri mai ia ka whakawhiu i a koutou, ka huna hoki i a koutou, i muri iho i tana mahi pai ki a koutou.
Raha mahafoy an'i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.
Na ka mea te iwi ki a Hohua, Kahore; engari ka mahi matou ki a Ihowa.
Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.
Na ka mea a Hohua ki te iwi, Hei kaiwhakaatu koutou ki a koutou ano mo ta koutou whiriwhiri a Ihowa, kia mahi ki a ia. A ka mea ratou, Ae, hei kaiwhakaatu matou.
Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Vavolombelona ho an'ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an'i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay .
Na reira, e ai ki tana, whakarerea atu nga atua ke i waenganui i a koutou na, ka whakatahuri i o koutou ngakau ki a Ihowa, ki te Atua o Iharaira.
Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.
Katahi ka mea te iwi ki a Hohua, Ka mahi matou ki a Ihowa, ki to tatou Atua, ko tona reo hoki ta matou e whakarongo ai.
Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay
A whakaritea iho e Hohua he kawenata ki te iwi i taua rangi ano, a hoatu ana e ia ki a ratou tetahi tikanga me tetahi ritenga i Hekeme.
Ary dia nanao fanekena tamin'ny vahoaka Josoa tamin'izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema.
A tuhituhia ana e Hohua enei kupu ki te pukapuka o te ture a te Atua; a ka tango ia i tetahi kohatu nui, whakaarahia ake ana i reira i raro i te oki, i te taha o te whare tapu o Ihowa.
Dia nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra ireo teny ireo. ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin'ny hazo terebinta, izay teo anilan'ny fitoera-masin'i Jehovah.
A ka mea a Hohua ki te iwi katoa, Nana, ko tenei kohatu hei kaiwhakaatu ki a tatou; kua rongo hoki ia i nga kupu katoa a Ihowa i korerotia e ia ki a tatou: na hei kaiwhakaatu ia ki a koutou, kei whakakahore ki to koutou Atua.
Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo ianareo.
Heoi tukua ana e Hohua te iwi kia haere, tena tangata, tena ki tona wahi ake.
Dia nampodin'i Josoa ny vahoaka samy ho any amin'ny lovany avy.
A, muri iho i enei mea, na ka mate a Hohua tama a Nunu, te pononga a Ihowa, a kotahi rau kotahi tekau ona tau i ora ai.
Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
A tanumia iho ia e ratou ki te rohe o tona kainga, ki Timenata Hera, ki te whenua pukepuke o Eparaima, ki te taha ki te raki o Maunga Kaaha.
Dia nalevina tao amin'ny faritanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
A i mahi a Iharaira ki a Ihowa i nga ra katoa o Hohua, i nga ra katoa ano o nga kaumatua i hipa ake o ratou ra i o Hohua, i mohio hoki ki nga mahi katoa a Ihowa i mahi ai mo Iharaira.
Ary nanompo an'i Jehovah ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely
A ko nga wheua o Hohepa, i maua mai e nga tama a Iharaira i Ihipa, i tanumia e ratou ki Hekeme, ki te wahi o te mara i hokona e Hakopa i nga tama a Hamora matua o Hekeme ki nga moni kotahi rau: na riro ana taua wahi i nga tama a Hohepa hei kaing a tupu.
Ary ny taolan'i Josefa, izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin'ny tany izay novidin'i Jakoba volafotsy zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema; dia tonga lovan'ny taranak'i Josefa izany.
Na ka mate a Ereatara tama a Arona; a tanumia ana ki te pukepuke o tana tama, o Pinehaha, i homai ki a ia i te whenua pukepuke o Eparaima.
Dia maty koa Eleazara, zanak'i Arona, ka naleviny teo amin'ny havoan'i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin'ny tany havoan'i Efraima.