Job 28

He rua hoki to te hiriwa e puta mai ai, he wahi ano to te koura e whakarewaina ai.
Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
He mea tango mai te rino no roto i te whenua; no te kamaka te parahi, he mea whakarewa.
Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato.
E whakatakotoria ana e te tangata he mutunga mai mo te pouri, e rapua ana e ia ki te tino tutukitanga atu nga kohatu o te pouri, o te atarangi o te mate.
Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
E pakaruhia mai ana e ia he rua i ko ake o nga nohoanga tangata; kua wareware ratou i te waewae e haere ana; he tawhiti i te tangata to ratou tarenga, e piu atu ana, e piu ana mai.
Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
Ko te whenua, e puta mai ana he taro i roto i a ia: a e hurihia ake ana a raro iho ano he ahi.
Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
Hei wahi mo nga hapira ona kohatu, he puehu koura ano tona.
Fitoeran'ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
He ara tena kahore i mohiotia e te manu, kiano i kitea e te kanohi o te whatura.
Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery,
Kahore nga kirehe whakahi kia takahi i taua ara kahore hoki a reira kia haerea e te raiona tutu.
Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka.
E pa atu ana tona ringa ki te kiripaka; hurihia ake e ia nga take o nga maunga.
Maninjitra ny tànany amin'ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony;
E tapahia ana e ia he awa i roto i nga kamaka, a e kite ana tona kanohi i nga mea utu nui katoa.
Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa.
E herea ana e ia nga awa kei maturuturu; e whakaputa mai ana hoki i nga mea ngaro ki te marama.
Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava.
E kitea ia ki hea te whakaaro nui? kei hea hoki te wahi o te mohio?
Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
E kore te tangata e mohio ki tona utu, e kore ano taua hanga e kitea ki te whenua o te ora.
Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izy.
E ki ake ana te rire, Kahore i ahau; e ki mai ana hoki te moana, Kahore i ahau.
Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
E kore e hokona ki te koura, e kore ano hoki e taea te pauna te hiriwa hei utu mona.
Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
E kore e taea te whakarite ki te koura o Opira, ki te onika utu nui, ki te hapira.
Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
E kore e rite te koura, te kohatu piata ki a ia: e kore e hokona ki nga oko koura parakore.
Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
E kore e whakahuatia te kaoa, nga peara ranei; hira ake hoki te utu o te whakaaro nui i to te rupi.
Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
E kore te topaha o Etiopia e rite ki a ia, e kore e tau te koura parakore hei utu.
Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
Ka haere mai ra i hea te whakaaro nui? Kei hea te wahi o te matau?
Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
He mea huna atu na hoki i nga kanohi o nga mea ora katoa, ngaro rawa i nga manu o te rangi.
Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany ary takona amin'ny voro-manidina.
E ki ake ana te whakangaromanga raua ko te mate, i hakiri o maua taringa ki tona rongo.
Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.
E mohio ana te Atua ki tona ara, kua kite ano ia i tona wahi.
Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
E titiro ana hoki ia ki nga pito o te whenua, e kite ana ia i nga mea i raro i te rangi, a puta noa;
Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao,
E mea ana i te whakataimaha mo te hau; ae, e mehua ana ia i nga wai ki te mehua.
Ka manendry ny lanjan'ny rivotra ary mamatra ny rano amin'ny famarana.
I a ia e whakatakoto ana i te tikanga mo te ua, i te huarahi mo te uira o te whatitiri,
Raha nanao lalana ho an'ny ranonorana Izy sy lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana,
Ka kitea e ia i reira, a whakapuakina mai ana; i whakaukia e ia, a ata rapua ana e ia.
Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
A ka mea ia ki te tangata, Na, ko te wehi ki te Ariki, ko te whakaaro nui tena; a ko te mawehe atu i te kino, koia te matauranga.
Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana.