Job 2

He ra ano ka haere mai nga tama a te Atua, kia tu i te aroaro o Ihowa. A ka haere mai hoki a Hatana i roto i a ratou ki te aroaro o Ihowa tu ai.
Ary tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan'i Jehovah.
Na ka mea a Ihowa ki a Hatana, i haere mai koe i hea? Ano ra ko Hatana ki a Ihowa, I te kopikopiko, i te haereere i te whenua.
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
Na ka mea a Ihowa ki a Hatana, Kua mahara ranei tou ngakau ki taku tangata, ki a Hopa? kahore he rite mona i te whenua, he tangata ngakau tapatahi, he tika, e wehi ana i te Atua, e mawehe ana i te kino; u tonu ano hoki tona tapatahitanga, ahakoa e whakaoho ana koe i ahau ki te he mona, kia whakangaromia noatia ia.
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.
Na ka utua e Hatana ta Ihowa, ka mea ia, He kiri mo te kiri; ae ra, ko nga mea katoa hoki a te tangata ka hoatu hei utu mona kia ora.
Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan'ny olona dia homeny ho-fefin'ny ainy.
Engari kia totoro atu tou ringa, kia pa ki tona wheua, ki ona kikokiko, ina, ka kanga ia i a koe ki tou aroaro.
Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza Izy e!
Na ka mea a Ihowa ki a Hatana, Nana, kei tou ringa ia: otiia kia tupato kei mate rawa ia.
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
Heoi ka haere atu a Hatana i te aroaro o Ihowa; patua iho e ia a Hopa ki te whewhe kino i te kapu o tona waewae, a tae noa ki tona tumuaki.
Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany.
Na ka mau ia ki tetahi maramara rihi hei waru i a ia, a noho ana i roto i te pungarehu.
Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
Katahi tana wahine ka mea ki a ia, ka u tonu koia koe ki tou tapatahitanga? kanga te Atua, ka mate ai.
Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.
Ano ra ko ia ki a ia, Rite tonu to kupu ki te kupu a tetahi o nga wahine kuware. Ha! kia whiwhi tatou ki te pai i te Atua, a kia kaua e whiwhi ki te kino? I tenei katoa kihai i hara nga ngutu o Hopa.
Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.
Na, i te rongonga o nga hoa tokotoru o Hopa ki tenei aitua katoa i pa nei ki a ia, ka haere mai ratou i tona wahi, i tona wahi, a Eripata Temani, a Pirirara Huhi, a Topara Naamati: he mea whakarite hoki na ratou ki a ratou ano kia haere mai ki t e tangi ki a ia, ki te whakamarie i a ia.
Ary rehefa ren'ny sakaizan'i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin'ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
Na, i te marangatanga o o ratou kanohi i tawhiti, a kihai ratou i mohio ki a ia, na kua ara to ratou reo, tangi ana; haea ana tona koroka, tona koroka, ruia iho e ratou he puehu ki runga ki o ratou mahunga, he mea akiri atu whaka te rangi.
Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin'ny lanitra hiraraka amin'ny lohany.
Heoi noho ana ratou i tona taha ki te whenua, e whitu nga ra, e whitu nga po, kihai hoki i puaki he kupu a tetahi ki a ia: i kite hoki ratou he nui rawa tona pouri.
Ary niara-nipetraka teo aminy tamin'ny tany hafitoan'andro sy hafitoan'alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.