Jeremiah 43

A ka mutu te korero a Heremaia ki te iwi katoa i nga kupu katoa a Ihowa, a to ratou Atua, i unga ai ia ki a ratou e Ihowa, e to ratou Atua, ara enei kupu katoa,
Ary rehefa tapitra voalazan'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin'i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan'i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,
Katahi ka korero a Ataria tama a Hohaia, ratou ko Hohanana tama a Karea, ko nga tangata whakapehapeha katoa ano hoki, ka mea ki a Heremaia, E korero teka ana koe: kihai a Ihowa, to tatou Atua, i unga mai i a koe hei mea, Kaua koutou e haere ki Ih ipa, ki reira noho ai:
dia niteny Azaria, zanak'i Hosaia, sy Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin'i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta;
Engari na Paruku, na te tama a Neria koe i whakakiki ki te he mo matou, kia tukua ai matou ki te ringa o nga Karari, kia whakamatea ai matou e ratou, kia whakaraua ai hoki ki Papurona.
fa Baroka, zanak'i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan'ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.
Na kihai a Hohanana tama a Karea, ratou ko nga rangatira katoa o nga ope, ko te iwi katoa hoki, i rongo ki te reo o Ihowa, kia noho ki te whenua o Hura.
Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon'i Jehovah ny amin'ny honenany ao amin'ny tanin'ny Joda.
Engari i mau a Hohanana tama a Karea, ratou ko nga rangatira katoa o nga ope, ki nga morehu katoa o Hura i peai nei ratou ki nga iwi katoa, a i hoki mai ki te whenua o Hura noho ai;
Fa Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin'ny Joda, izay niverina avy tany amin'ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin'ny tanin'ny Joda,
Ki nga tana, ki nga wahine, ki nga tamariki, ki nga tamahine hoki a te kingi, ki nga tangata katoa i waiho e Neputaraarana rangatira o nga kaitiaki ki a Keraria tama a Ahikama, tama a Hapana, ki a Heremaia poropiti, ki a Paruku hoki tama a Neria;
dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak'andriana ary ny olona rehetra izay navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, sy tao amin'i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak'i Neria
A haere ana ratou ki te whenua o Ihipa; kihai hoki ratou i rongo ki te reo o Ihowa: na ka tae ratou ki Tahapanehe.
ka dia nankany amin'ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon'i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa.
Katahi ka puta mai te kupu a Ihowa ki a Heremaia ki Tahapanehe; i mea ia,
Dia tonga tamin'i Jeremia tao Tapanesa ny tenin'i Jehovah hoe:
Maua atu etahi kohatu nunui i tou ringa, a ka huna ki roto ki te paru ki te papa pereki, ki tera i te kuwaha o te whare o Parao i Tahapanehe, a kia kite hoki nga tangata o Hura;
Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin'ny feta ao amin'ny gorodona taila, izay eo akaikin'ny vavahady amin'ny tranon'i Farao ao Tapanesa, eo imason'ny lehilahy amin'ny Joda,
A ka mea ki a ratou, Ko te kupu tenei a Ihowa o nga mano, a te Atua o Iharaira: Nana, ka unga tangata ahau ki te tiki i taku pononga, i a Nepukareha kingi o Papurona, a ka whakaturia e ahau tona torona ki runga ki enei kohatu kua huna nei e ahau; a ka horahia e ia tona teneti kingi ki runga.
ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro Aho haniraka haka an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko, ka haoriko amin'ireto vato nafeniko ireto ny seza fiandrianany; ary hamelatra ny lambany tsara tarehy hatao alokaloka eo amboniny izy.
Na ka tae mai ia, a ka patu i te whenua o Ihipa; ko te hunga mo te mate ka tukua ki te mate, ko te hunga mo te whakarau ki te whakarau, a ko te hunga mo te hoari ki te hoari.
Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin'ny areti-mandringana dia ho amin'ny areti-mandringana, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana, ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra.
Ka ngiha ano i ahau he ahi i roto i nga whare o nga atua o Ihipa; ka tahuna ratou e ia, a ka whakaraua atu: a ka kakahuria e ia te whenua o Ihipa, ano he hepara e kakahu ana i tona kakahu; a ka haere atu ia i reira i runga i te rangimarie.
Ary handrehitra afo ao amin'ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin'ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin'ny fiadanana izy.
Ka wawahia hoki e ia nga whakapakoko o Petehemehe, o tera i te whenua o Ihipa, ka tahuna ki te ahi nga whare o nga atua o Ihipa.
Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin'ny tany Egypta; ary hodorany amin'ny afo ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta.