Jeremiah 34

Ko te kupu i puta mai ki a Heremaia na Ihowa, i a Nepukaneha kingi o Papurona ratou ko tana ope katoa, ko nga kingitanga katoa o te whenua i raro i tona mana, me nga iwi katoa, i whawhai ai ki Hiruharama me ona pa katoa; i mea ia,
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin'ny tany izay nanjakany mbamin'ny firenena rehetra izay namely an'i Jerosalema sy ny tanànany rehetra, nanao hoe:
Ko te kupu tenei a Ihowa, a te Atua o Iharaira, Haere, korero ki a Terekia kingi o Hura, mea atu ki a ia, Ko te kupu tenei a Ihowa, Nana, ka hoatu e ahau tenei pa ki te ringa o te kingi o Papurona, a ka tahuna e ia ki te ahi.
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Mandehana, lazao amin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ka hodorany amin'ny afo izy;
A e kore koe e mawhiti i roto i tona ringa, engari ka mau pu koe, ka tukua hoki ki tona ringa; a ka kite ou kanohi i nga kanohi o te kingi o Papurona, a ka korero ia ki a koe he mangai ki te mangai, ka tae ano hoki koe ki Papurona.
ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tànany; ary ny masonao hahita ny mason'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiteny mifanatrika aminao izy, sady ho tonga any Babylona ianao.
Whakarongo ano hoki ki te kupu a Ihowa, e Terekia kingi o Hura; ko te kupu tenei a Ihowa mou, E kore koe e mate i te hoari;
Nefa henoy ny tenin'i Jehovah, ry Zedekia, mpanjakan'ny Joda. Izao no lazain'i Jehovah ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao.
Engari ka mate koe i runga i te rangimarie; na, ko nga tahunga o ou matua, o nga kingi o mua, i mua atu i a koe, ka pena ano he tahunga mou; a ka tangi ratou ki a koe, ka mea, Aue, e te Ariki! naku nei hoki te kupu i korero, e ai ta Ihowa.
fa amin'ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireny mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko; fa Izaho no efa nilaza izany, hoy Jehovah.
Katahi a Heremaia poropiti ka korero i enei kupu katoa ki a Terekia kingi o Hura i Hiruharama.
Dia nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda. tany Jerosalema izany teny rehetra izany.
I te mea e whawhai ana te ope o te kingi o Papurona ki Hiruharama, ki nga pa katoa o Hura i mahue, ki Rakihi, ki Ateka: ko enei anake hoki o nga pa o Hura i mahue, he pa taiepa.
fony ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona mbola namely an'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sisa rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin'ny tanànan'ny Joda.
Ko te kupu i puta mai ki a Heremaia na Ihowa, i muri i te whakaritenga kawenata a Kingi Terekia ki te hunga katoa i Hiruharama, kia karangatia ki a ratou te haere noa;
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, rehefa nanao fanekena tamin'ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema Zedekia mpanjaka hitory fanafahana aminy,
Kia tukua e tera, e tera, tana pononga tane, tana pononga wahine, ki te mea he tane, he wahine ranei no nga Hiperu, kia haere noa atu; kia kaua tetahi e whakamahi i a ratou, ara i tona teina, i te Hurai:
mba samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, dia izay Hebreolahy sy Hebreovavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony.
A ka rongo nga rangatira katoa ratou ko te iwi katoa i uru nei ki te kawenata, kia tukua e tera, e tera, tana pononga tane, tana pononga wahine, kia haere noa atu, kia kaua e whakamahia ratou i muri atu; na rongo tonu ratou, a tukua atu ana e ra tou.
Ka dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena, samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy, ka samy nandefa azy ho afaka.
Engari i muri iho ka tahuri ano ratou, a meinga ana e ratou kia hoki mai nga pononga tane, me nga pononga wahine i tukua ra e ratou kia haere noa atu, whakataurekarekatia iho ratou hei pononga tane, hei pononga wahine:
Kanjo taorian'izany dia nanenina izy, ka naveriny indray ireo ankizilahy sy ankizivavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.
Na reira ka puta mai te kupu a Ihowa ki a Heremaia, he mea na Ihowa; i ki ia,
Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
Ko te kupu tenei a Ihowa, a te Atua o Iharaira, I whakaritea e ahau he kawenata ki o koutou matua i te ra i kawea mai ai ratou e ahau i te whenua o Ihipa, i te whare pononga; i mea ahau,
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin'ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta hiala tamin'ny trano nahandevozana nanao hoe:
I te mutunga o nga tau e whitu me tuku e koutou tona tuakana, tona teina, ki te mea he Hiperu i hokona ki a koe, a kua mahi ki a koe e ono nga tau, me tuku e koe kia haere noa atu i tou taha: otira kihai o koutou matua i rongo ki ahau, kihai ano o ratou taringa i anga mai.
Isam-pito taona samia mandefa ny Hebreo rahalahiny, izay namidy taminao; ka rehefa nanompo anao enin-taona izy, dia alefaso ho afaka; nefa ny razanareo tsy nihaino Ahy ka nanongilana ny sofiny.
Na i tahuri nei koutou i tenei ra, i mahi i te mea e tika ana ki taku titiro, i te karangatanga ai he haere noa atu e tera, e tera, ki tona hoa, ki tona hoa; a i whakaritea e koutou he kawenata ki toku aroaro i roto i te whare kua huaina nei tok u ingoa ki reira:
Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin'ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako;
Otiia tahuri ana koutou, whakapokea ana e koutou toku ingoa, whakahokia ana e koutou tana pononga tane, tana pononga wahine i tukua ra e koutou kia haere noa atu ki ta ratou i pai ai, whakataurekarekatia iho ratou e koutou hei pononga tane, hei pononga wahine ma koutou.
kanjo nivadika indray ianareo ka tsy nanamasina ny anarako, fa samy namerina ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.
Mo reira ko te kupu tenei a Ihowa; Kihai koutou i rongo ki ahau, ki te karanga i te haere noa atu ki tona teina, ki tona tuakana, ki tona hoa, ki tona hoa: nana, maku e karanga ki a koutou he haere noa atu, e aita Ihowa, ma te hoari, ma te mate uruta, ma te matekai; a ka meinga koutou e ahau kia poipoia haeretia i waenganui i nga kingitanga katoa o te whenua.
Koa izao no lazain'i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an'ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an'ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra amin'ny tany ianareo.
Ka hoatu hoki e ahau nga tangata i whakataka nei i taku kawenata, a kihai i whakamana i nga kupu o te kawenata i whakaritea e ratou i toku aroaro, i a ratou i tapahi ai i te kuao kau kia rua, a haere ana i waenganui i ona wahi;
Ary hatolotro ny olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin'ny fanekena, izay nataony teo anatrehako fony nosasahiny ny ombilahy kely, ka nandeha teo anelanelan'ny tapany izy,
Nga rangatira o Hura, nga rangatira hoki o Hiruharama, nga unaka, nga tohunga, me te iwi katoa o te whenua i haere nei i waenganui o nga wahi o te kuao kau;
eny, hatolotro ny mpanapaka ny Joda sy ny mpanapaka any Jerosalema sy ny tandapa sy ny mpisorona ary ny vahoaka rehetra, izay nandeha teo anelanelan'ny tapaky ny ombilahy kely,
Ka tino hoatu ratou e ahau ki te ringa o o ratou hoariri, ki te ringa hoki o te hunga e whai ana kia whakamatea ratou: a hei kai o ratou tinana ma te manu o te rangi, ma te kararehe o te whenua.
dia hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy, ary ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
Ka hoatu ano e ahau a Terekia kingi o Hura ratou ko ana rangatira, ki te ringa o o ratou hoariri, ki te ringa hoki o te hunga e whai ana kia whakamatea ratou, ki te ringa ano o te ope o te kingi o Papurona i haere atu nei i a koutou.
Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy ary eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona, izay efa lasa niala taminareo.
Nana, maku e whakahau, e ai ta Ihowa, a ka meinga ratou kia hoki mai ki tenei pa; a ka whawhai ratou ki reira, ka horo hoki i a ratou, a ka tahuna ki te ahi: a ka meinga e ahau nga pa o Hura kia ururuatia, te ai he tangata hei noho.
Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin'ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin'ny afo; ary ny tanànan'ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.