Jeremiah 28

I taua tau, i te timatanga o te kingitanga o Terekia kingi o Hura, i te wha o nga tau, i te rima o nga marama, ka korero a Hanania poropiti tama a Aturu, he tangata no Kipeono, ki ahau i roto i te whare o Ihowa, i te aroaro o nga tohunga ratou ko te iwi katoa; i mea ia,
Ary tamin'izany taona izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahefatra, no nitenenan'i Hanania, zanak'i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon'i Jehovah, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:
Ko te kupu tenei a Ihowa o nga mano, a te Atua o Iharaira, e ki ana ia, Kua whati i ahau te ioka a te kingi o Papurona.
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Efa notapahiko ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona,
E kore e tutuki rawa nga tau e rua, ka whakahokia mai e ahau ki tenei wahi nga oko katoa o te whare o Ihowa i maua atu e Nepukaneha kingi o Papurona i tenei wahi, i kawea atu e ia ki Papurona:
ka ao anatin'ny roa taona no hampodiako ho amin'ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah izay nalain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, avy tamin'ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona:
A ka whakahokia mai e ahau ki tenei wahi a Hekonia tama a Iehoiakimi kingi o Hura, ratou ko nga whakarau katoa o Hura i haere nei ki Papurona, e ai ta Ihowa: no te mea ka whati i ahau te ioka a te kingi o Papurona.
ary Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babylona, dia hampodiko ho amin'ity tanàna ity, hoy Jehovah; fa hotapahiko ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona.
Katahi ka mea atu a Heremaia poropiti ki a Hanania poropiti i te aroaro o nga tohunga, i te aroaro ano o te iwi katoa e tu ana i te whare o Ihowa,
Dia hoy Jeremia mpaminany tamin'i Hanania mpaminany teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao an-tranon'i Jehovah,
I mea taua Heremaia poropiti, Amine: kia pena mai ano a Ihowa: kia mahia hoki e Ihowa au kupu i poropititia na e koe mo nga oko o te whare o Ihowa, mo nga whakarau katoa hoki, ka whakahokia mai i Papurona ki tenei wahi.
Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon'i Jehovah anie izany! hotanterahin'i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin'ny hampodiana ny fanaky ny tranon'i Jehovah mbamin'ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin'ity tanàna ity indray.
Otiia kia rongo mai koe inaianei ki tenei kupu e korerotia nei e ahau ki ou taringa, ki nga taringa ano o te iwi katoa:
Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:
Ko nga poropiti i mua atu i ahau, i mua atu hoki i a koe, i mua noa atu, i poropititia e ratou he he mo nga whenua maha, mo nga kingitanga nunui, he whawhai, he kino, he mate uruta.
Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin'ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin'ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.
Ko te poropiti e poropiti ana i te rongo mau, ki te tutuki te kupu a te poropiti, hei reira ka mohiotia taua poropiti, he pono na Ihowa ia i unga mai.
Ny amin'ny mpaminany izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin'i Jehovah tokoa izy.
Katahi ka mau a Hanania poropiti ki te ioka i te kaki o Heremaia poropiti, wahia ana e ia.
Dia nesorin'i Hanania mpaminany ny zioga tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ka notapahiny.
A ka korero a Hanania poropiti i te aroaro o te iwi katoa, ka mea, Ko te kupu tenei a Ihowa, Ka peneitia e ahau te wahi atu i te ioka a Nepukaneha kingi o Papurona i roto i nga ra o nga taua e rua i te kaki o nga iwi katoa. Na haere ana a Herema ia poropiti i tona ara.
Ary Hanania niteny teo anatrehan'ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah: tahaka izao no hanapahako ny ziogan'i Nebokadnezara, mpanjakan'ny Babylona, ho afaka amin'ny vozon'ny firenena rehetra ao anatin'ny roa taona. Ary dia lasa niala Jeremia mpaminany.
Katahi ka puta mai te kupu a Ihowa ki a Heremaia i muri i te wawahanga a Hanania poropiti i te ioka i te kaki o Heremaia poropiti, a ka mea ia,
Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, nony efa notapahin'i Hanania mpaminany ho afaka tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ny zioga, nanao hoe:
Haere, korero ki a Hanania, mea atu, Ko te kupu tenei a Ihowa: Kua wahia e koe nga ioka rakau; otira me hanga e koe etahi ioka rino hei whakakapi mo ena.
Mandehana, ka lazao amin'i Hanania hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zioga hazo no notapahinao, fa zioga vy kosa no hataonao solony.
Ko te kupu hoki tenei a Ihowa o nga mano, a te Atua o Iharaira: Kua whakanohoia e ahau he ioka rino ki te kaki o enei iwi katoa, kia mahi ai ratou ki a Nepukaneha kingi o Papurona: ina, ka mahi ratou ki a ia; kua hoatu ano e ahau nga kirehe o te parae ki a ia.
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Zioga vy no nataoko tamin'ny vozon'ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka dia hanompo azy izy; eny, na dia ny bibi-dia aza dia nomeko azy koa.
Katahi ka mea te poropiti, a Heremaia, ki te poropiti, ki a Hanania, Whakarongo mai, e Hanania; ehara koe i a Ihowa i unga; kua mea ia koe i tenei iwi kia whakawhirinaki ki te teka.
Dia hoy Jeremia mpaminany tamin'i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao Jehovah; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin'ny lainga.
Mo reira ko te kupu tenei a Ihowa, Nana, ka peia atu koe e ahau i te mata o te oneone: i tenei tau ano ka mate koe, no te mea kua korero koe i te tutu ki a Ihowa.
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin'ny tany ianao; amin'ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notorinao
Na i taua tau ano ka mate a Hanania i te whitu o nga marama.
Ka dia maty tamin'ny volana fahafito tamin'iny taona iny ihany Hanania mpaminany.