Isaiah 25

E Ihowa, ko koe toku Atua; ka whakanuia koe e ahau, ka whakamoemititia e ahau tou ingoa; he mahi whakamiharo hoki au, ara ko nga whakaaro i takoto nei i mua, i runga i te pono, i te tika.
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
Kua meinga hoki e koe te pa hei puranga; te pa kaha, hei ururua; te whare kingi o nga tangata ke, kore iho tera pa; e kore e hanga a ake ake.
Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan'ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny;
Na ka whakakororiatia koe e te iwi kaha, ka wehi te pa o nga iwi nanakia i a koe.
Ka dia hankalaza Anao ny firenena masiaka, Hatahotra Anao ny tanànan'ny firenena lozabe.
Hei pa kaha hoki koe mo te ware, hei pa kaha mo te rawakore i tona henga, hei whakaruru kei mate i te tupuhi, hei whakahauhau mo te werawera, ina rite te hau o te hunga nanakia ki te tupuhi e aki mai ana ki te taiepa.
Fa fiarovana mafy ho an'ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo amin'ny fahoriany, fierena amin'ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin'ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.
Ka rite ki te mahana i te wahi maroke te ngangau o nga tangata ki ka whakahokia iho nei e koe; ka rite ki te mahana i nga wa e whakamarumarua ana e te kapua, ka iti iho te waiata a te hunga nanakia.
Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban'ny firenena hafa; Eny, tahaka ny amin'ny hainandro resin'ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran'ny olon-dozabe.
A ka tukua e Ihowa o nga mano he hakari ma nga iwi katoa ki runga ki tenei maunga, he mea momona, he waina nganga hei hakari, he mea momona, ki tonu i te hinu wheua, he waina nganga, tatari rawa.
Ary Jehovah, Tompon'ny maro, dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra eto amin'ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin'ny zavatra matavy, fanasana amin'ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.
Ka whakakahoretia ano e ia i runga i tenei maunga te mata o te hipoki e hipoki nei i nga iwi katoa, me te taupoki e taupoki nei i nga tauiwi katoa.
Ary hofoanany eto amin'ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra.
Kua horomia e ia te mate ake ake; a ka horoia e te Ariki, e Ihowa, nga roimata o nga kanohi katoa, ka whakakahoretia ano e ia te whakahawea ki tana iwi puta noa i te whenua; na Ihowa nei hoki te kupu.
Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
Ko te kupu ano tenei i taua ra, Nana, ko to tatou Atua tenei: i tatari tatou ki a ia, ka ora ano tatou i a ia: ko Ihowa tenei; i tatari tatou ki a ia; ka hari tatou, ka koa ki tana whakaoranga.
Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika.
No te mea ka okioki te ringa o Ihowa ki tenei maunga, a ka takahia a Moapa ki raro i tona wahi, me te kakau witi e takahia ana ki te wai o te puranga paru.
Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tànan'i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin'izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin'ny rano ao am-pahitra;
A ka totoro ona ringa i waenganui o reira pera me te kaikauhoe e toro ana i ona ringa ina kauhoe ia; ka tukua hoki ki raro tona whakapehapeha me nga mahi a ona ringa.
Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan'izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany.
Na, ko te wahi kaha o te pourewa tiketike o ou taiepa, kua tukua iho e ia, takoto rawa, pa rawa ki te whenua, ki te puehu rawa.
Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka.