Genesis 47

Na ka haere a Hohepa, ka korero ki a Parao, ka mea, Kua tae mai toku papa me oku tuakana, me a ratou kahui, a ratou kau, a ratou mea katoa, i te whenua o Kanaana; na, kei te whenua ratou o Kohena.
Ary Josefa nankao amin'i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin'ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin'ny tany Gosena izy.
Na ka tango ia i etahi o ona tuakana, tokorima, a whakaturia ana ratou e ia ki te aroaro o Parao.
Ary ny dimy lahy tamin'ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan'i Farao.
A ka mea a Parao ki ona tuakana, He aha ta koutou na mahi? A ka mea ratou ki a Parao, He hepara au pononga, matou me o matou matua.
Ary hoy Farao tamin'ireo rahalahin'i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin'i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin'ny razanay.
I mea ano ratou ki a Parao, He noho ki tenei whenua i haere mai ai matou; no te mea kahore he kai ma nga hipi a au pononga; he nui hoki te matekai o te whenua o Kanaana: koia ra kia noho au pononga ki te whenua o Kohena.
Ary hoy koa izy tamin'i Farao: Mba hivahiny eto amin'ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an'ny ondry aman'osin'ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin'ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin'ny tany Gosena ny mpanomponao.
Na ka korero a Parao ki a Hohepa, ka mea, Kua tae mai nei tou papa me ou tuakana ki a koe:
Ary Farao dia niteny tamin'i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga atỳ aminao;
Kei tou aroaro te whenua o Ihipa; whakanohoia e koe tou papa me ou tuakana ki te wahi pai o te whenua; kia noho ratou ki te whenua o Kohena: ki te mea hoki e mohiotia ana e koe etahi tangata pakari i roto i a ratou, meinga ratou hei rangatira mo aku kararehe.
ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin'izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin'ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben'ny mpiandry ny omby aman'ondriko.
Na ka kawea mai a Hakopa, tona papa, e Hohepa, ka whakaturia ki te aroaro o Parao; a ka manaaki a Hakopa i a Parao.
Dia nentin'i Josefa ho eo anatrehan'i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an'i Farao.
A ka mea a Parao ki a Hakopa, Ka hia ou tau?
Ary hoy Farao tamin'i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao?
Ka mea a Hakopa ki a Parao, Ka kotahi rau e toru tekau tau nga ra o nga tau o toku noho manene: he torutoru, a he kino nga ra o nga tau o toku ora, kihai ano hoki i rite ki nga ra o nga tau o te ora o oku matua, i nga ra i noho manene ai ratou.
Dia hoy Jakoba tamin'i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan'ny razako tamin'ny andro nivahiniany.
Na ka manaaki a Hakopa i a Parao, a puta atu ana i te aroaro o Parao.
Ary Jakoba, rehefa nisaotra an'i Farao, dia lasa niala teo anatrehany.
Na ka whakanohoia e Hohepa tona papa me ona tuakana, a hoatu ana e ia ki a ratou he kainga i te whenua o Ihipa, i te wahi pai rawa o te whenua, i te whenua o Ramehehe, pera me ta Parao i whakahau ai.
Dia namponenin'i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin'ny tany Egypta, dia tao amin'ny tany tsara indrindra, tao amin'ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian'i Farao.
Na ka atawhai a Hohepa i tona papa, ratou ko ona tuakana, ko te whare katoa ano hoki o tona papa ki te taro, he mea whakarite tonu ki o ratou hapu.
Dia novelomin'i Josefa tamin'ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin'ny ankohonan'ny rainy rehetra, araka ny isan'ny zanany avy.
A kahore he taro o te whenua katoa; he nui rawa hoki te matekai; a hemo noa iho te whenua o Ihipa i te matekai, me te whenua hoki o Kanaana.
Ary tsy nisy hanina teo amin'ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary.
A kohia ana e Hohepa te moni katoa i kitea ki te whenua o Ihipa, ki te whenua hoki o Kanaana, mo te witi i hokona e ratou: a kawea ana e Hohepa te moni ki te whare o Parao.
Dia nangonin'i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia izay vidin'ny vary novidin'ny olona, ka nampidirin'i Josefa tao an-tranon'i Farao ny vola.
A, no te potonga o te moni o te whenua o Ihipa, o te whenua hoki o Kanaana, na ka haere nga Ihipiana katoa ki a Hohepa, ka mea, Homai he taro ki a matou: kia mate hoki matou ki tou aroaro hei aha? kua poto nei hoki te moni.
Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola.
Na ka mea a Hohepa, Homai a koutou kararehe; a ka hoatu e ahau hei utu mo a koutou kararehe, i te mea kua poto te moni.
Ary hoy kosa Josefa : Omeo ny omby aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.
Na ka kawea mai e ratou a ratou kararehe ki a Hohepa: a hoatu ana e Hohepa he taro ki a ratou hei utu mo nga hoiho, mo nga kahui hipi, mo nga kahui kau, mo nga kaihe: a whangaia ana ratou e ia ki te taro i taua tau, hei utu mo a ratou kararehe k atoa.
Dia nentiny tany amin'i Josefa ny omby aman'ondriny, ka notakalozan'i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin'izany taona izany ho takalon'ny bibiny rehetra.
A, no te takanga o taua tau, ka haere mai ratou ki a ia i te rua o nga tau, ka mea ki a ia, E kore e huna e matou i toku ariki, kua poto te moni; kei toku ariki hoki a matou kahui kararehe; kahore he mea e toe ana hei tirohanga ma toku ariki, ko o matou tinana anake, me o matou oneone:
Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin'ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin'itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan'itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason'itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;
Kia mate matou ki tou aroaro hei aha? matou tahi hoki me to matou oneone? hokona matou me to matou oneone ki te taro, a ka riro matou me to matou oneone hei pononga ma Parao: homai ano hoki he purapura, a ka ora matou, a e kore e mate, e kore an o hoki e ururuatia te whenua.
nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.
Na ka hokona e Hohepa te oneone katoa o Ihipa mo Parao: i hokona hoki e nga Ihipiana tana mara, tana mara; he pehi rawa hoki na te matekai i a ratou: a riro ana te whenua i a Parao.
Dia notakalozan'i Josefa ho an'i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan'i Farao ny tany.
Tena ko nga tangata, i whakawhitiwhitia e ia ki nga pa, i tetahi pito o nga rohe o Ihipa a puta noa ki tetahi pito o reira.
Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin'ny tanàna hatramin'ny faran'ny faritr'i Egypta rehetra.
Ko te oneone anake ia o nga tohunga kihai i hokona e ia; i whakaritea hoki tetahi wahi e Parao ma nga tohunga, a i kai ratou i ta ratou wahi i homai e Parao ma ratou: koia te hokona ai e ratou o ratou oneone.
Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen'i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny.
A ka mea a Hohepa ki te iwi, Nana, kua hokona nei koutou e ahau inaianei, me to koutou oneone, ma Parao: na, he purapura ma koutou, ruia te whenua.
Dia hoy Josefa tamin'ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an'i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany.
A, ka whai hua a mua, me homai e koutou te rima o nga wahi ki a Parao, a ma koutou nga wahi e wha, hei purapura mo te mara, hei kai hoki ma koutou, ma te hunga hoki i roto i o koutou whare, hei kai ano hoki ma a koutou tamariki.
Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an'i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin'izay ao an-tranonareo ary hohanin'ny zanakareo.
A ka mea ratou, Ka ora matou i a koe: kia manakohia matou e toku ariki, hei pononga matou ma Parao.
Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason'itompokolahy izahay, dia ho mpanompon'i Farao.
Na ka whakatakotoria te tikanga e Hohepa mo te oneone o Ihipa a tae noa mai ki tenei ra, ma Parao te rima o nga wahi; haunga ia te oneone o nga tohunga, kihai hoki tena i riro i a Parao.
Dia nataon'i Josefa ho lalana tany amin'ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao.
Na ka noho a Iharaira ki te whenua o Ihipa, ki te whenua o Kohena; ka whai kainga ratou ki reira, ka hua, ka nui whakaharahara.
Ary nonina tao amin'ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin'ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.
A kotahi tekau ma whitu nga tau i ora ai a Hakopa ki te whenua o Ihipa: a kotahi rau e wha tekau ma whitu nga tau o te oranga o Hakopa.
Ary ny andro niainan'i Jakoba tao amin'ny tany Egypta dia fito ambin'ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan'i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona.
Na ka whakatata nga ra o Iharaira e mate ai ia: a ka karanga i tana tama, i a Hohepa, ka mea ki a ia, Na, ki te mea ka manakohia ahau e koe, tena, whakapakia mai tou ringa ki raro i toku huha, a whakaputaina mai he aroha, he pono ki ahau; kaua r a ahau e tanumia ki Ihipa:
Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'Isiraely, dia nampaka an'i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atỳ Egypta aho.
Engari kia takoto ahau ki oku matua, me kawe atu ahau e koe i Ihipa, me tanu hoki ki to ratou urupa. A ka mea ia, Ka rite i ahau tau kupu.
Fa rehefa lasa mody mandry any amin'ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin'ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.
A ka mea ia ki a ia, Oati mai ki ahau. A oati ana ia ki a ia. A ka pike a Iharaira ki runga ki te urunga o te moenga.
Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan'ny farafara Isiraely.